Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Amosa 9:12 - Baiboly Katolika

12 mba hananan’izy ireo izay sisa amin’i Edôma, mbamin’ny firenena rehetra niantsoana ny Anarako, - teny marin’i Iaveh, - izay manao izany zavatra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 mba handovany izay sisa amin’i Edoma sy amin’ny firenena rehetra hantsoina amin’ny anarako, hoy NY TOMPO izay manatanteraka izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Amin’izay no hakan’i Israely ny tany sisa amin’i Edôma sy amin’ny firenena hafa rehetra izay nomarihina ny anarako hananako azy. Izaho Tompo no hahatanteraka izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Amin’izay no hakan’i Israely ny tany sisa amin’i Edôma sy amin’ny firenena hafa rehetra izay nomarihina ny anarako hananako azy. Izaho Tompo no hahatanteraka izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Mba hananany izay sisa amin’i Edoma Sy amin’ny jentilisa rehetra, Izay hantsoina amin’ny anarako, Hoy Jehovah, Izay manao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Mba hananany izay sisa amin'i Edoma sy amin'ny jentilisa rehetra, izay hantsoina amin'ny anarako, hoy Jehovah, Izay manao izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Amosa 9:12
17 Rohy Ifampitohizana  

Hotompoim-pirenena maro anie ianao, hiankohofam-pirenena maro ianao, ho tompon’ny rahalahinao anie ianao, hiankohofan’ny zana-dreninao ianao. Ho voaozona anie izay hanozona anao, fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!»


Fa hoy ny navalin’Isaaka an’i Esao: «Efa natsangako ho tomponao izy; sady efa nomeko azy ho mpanompony ny rahalahiny rehetra, ary nataoko be vary aman-divay izy. Ka ny aminao inona indray no azoko atao, anaka?»


Andriamanitra niteny tamin’ny fahamasinana hoe: «Hientan-kafaliana aho! Hanana an’i Sikema ho anjarako aho, horefesiko ny lohasahan’i Sokôta.


Hanidina amin’ny soroky ny Filistinina any andrefana izy, ary hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana; i Edôma sy i Moaba hasiany amin’ny tanany; ary ny taranak’i Amôna, hanoa azy ireo.


dia izay rehetra mitondra ny Anarako, izay noarîko ho voninahitro sy noforoniko ary nataoko.»


Izahay hatry ny ela, no efa hoatra ny olona tsy tapahinao akory, sy tsy iantsoana intsony ny Anaranao. Inay Ianao mandriatra ny lanitra, dia midina, - dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra!


Nekeko hotadiavin’izay tsy nangataka ahy aho, nety ho hitan’ireo tsy nitady ahy aho; Hoy aho: «Inty aho, Inty aho!» tamin’ny firenena izay tsy nitondra ny anarako.


Nahoana Ianao no ho tahaka ny olona very hevitra, tahaka ny lehilahy mahery tsy afa-manafaka? Kanefa eto afovoanay no itoeranao, ry Iaveh; ny Anaranao no antsoina hiaro anay; aza dia ilaozanao izahay! -


Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko; zary hafaliako amam-piravoravoan’ny foko, satria nantsoina tamiko ny Anaranao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô!


Raha lazain’i Edôma ataony hoe: ‹Noravana izahay, nefa hanangana ny rava indray,› - dia izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: ‹Izy ireo hanorina; Izaho kosa handrava›; ka izao no ho filazan’ny olona azy: ‹Tanim-paharatsiana io, firenena tezeran’i Iaveh mandrakizay.›


mba hitady ny Tompo ny olona sisa mbamin’ny Jentily rehetra izay niantsoana ny Anarako, hoy ny Tompo,


izay manatanteraka izany zavatra fantatra hatrizay hatrizay izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra