Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Obadia 1:21 - Baiboly Katolika

21 Ka hisy Mpamonjy hiakatra ao an-tendrombohitra Siôna hitsara ny tendrombohitr’i Esao; ary ho an’i Iaveh ny Fanjakana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ary hisy mpanafaka maro hiakatra ao an-tendrombohitra Ziona hitsara ny tendrombohitr’i Esao; ary ho an’NY TOMPO ny fanjakana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

21 rehefa afaka amin’ny fahababoana ireo, dia hiakatra ho ao an-tendrombohitra Tsiôna mba hifehy ny tendrombohitr’i Hesao. Amin’izay ny TOMPO mihitsy no ho mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 rehefa afaka amin’ny fahababoana ireo, dia hiakatra ho ao an-tendrombohitra Tsiôna mba hifehy ny tendrombohitr’i Hesao. Amin’izay ny TOMPO mihitsy no ho mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr’i Esao; Ary ho an’i Jehovah ny fanjakana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr'i Esao; Ary ho an'i Jehovah Jon 1:1

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Ary hisy mpanafaka maro hiakatra ao an-tendrombohitra Ziona* hitsara ny tendrombohitr’i Esao; ary ho an’NY TOMPO ny fanjakana.

Jereo ny toko dika mitovy




Obadia 1:21
37 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy i Iaveh taminy: «Firenena roa no ao an-kibonao. Vahoaka roa toko no hisaraka hatreo am-pialana amin’ny kibonao. Ka ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray toko hafa. Ary ny iray lehibe no hanompo ny iray kely.»


ka nanome mpamonjy ho an’i Israely i Iaveh. Nony afaka tamin’ny tanan’ny Sirianina ny zanak’i Israely dia nonina teo amin’ny lainy toy ny taloha indray.


Tamin’izay dia nafoinao izy, ho eo an-tanin’ireo mpampahory izay nampahory azy. Tamin’ny andron’ny fahoriany anefa nitaraina taminao izy, dia nihaino azy Ianao any an-danitra, ary nentin’ny famindram-ponao lehibe dia nanome mpamonjy izay nanafaka azy teo an-tanan’ireo mpampahory.


Satria lalain’ny mpanomponao ny vatony, nampangoraka ny fony hatramin’ny vovo-taniny.


Ny fara vazantany rehetra hahatsiaro sy hitodika an’i Iaveh, ary ny fokom-pirenena rehetra hiankohoka eo anatrehan’ny Tavanao.


Fa an’i Iaveh ny fanjakana; Izy no manapaka amin’ny firenena.


Mihirà ho an’Andriamanitra, mihirà! Mihirà ho an’ny Mpanjakantsika, mihirà!


Hidera Anao anie ny firenena, ry Andriamanitra, hidera Anao anie ny firenena rehetra!


Ary ho famantarana ho an’i Iavehn’ny tafika izany, sy ho vavolombelona eo amin’ny tany Ejipta; ka rehefa hitaraina amin’i Iaveh izy ireo, noho ny mpampahory azy, dia haniraka mpamonjy izy, sy mpiaro mahery hanafaka azy.


Ary ny volana hihamena, ny masoandro hivaloarika, fa i Iavehn’ny tafika hanjaka ao an-tendrombohitra Siôna sy ao Jerosalema, ary ny voninahitra hamirapiratra eo anatrehan’ny loholony.


Ny mandringa hataoko ho sisa, ary ny lasa lavitra ho firenena mahery; ka i Iaveh hanjaka amin’izy ireo ao an-tendrombohitra Siôna hatramin’izay ka ho mandrakizay.


Ary i Iaveh ho tonga mpanjaka amin’ny tany rehetra; ary amin’izany andro izany, dia ho tokana ihany i Iaveh, ary ny Anarany ho tokana ihany.


ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao: etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.


ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.


mba hihinananareo sy hisotroanareo eo amin’ny latabatro any amin’ny fanjakako, ary hipetrahanareo amin’ny seza fiandrianana hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.


Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ary mahareta tsara amin’izany, fa raha manao izany ianao, dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.


dia aoka ho fantatrareo, fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany, dia sady hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana no hanarona fahotana betsaka.


Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»


Ary nisy hoatra ny feon’olona marobe, sy tahaka ny firohondrohon’ny ranobe, ary sahala amin’ny fikotrokotroky ny kotro-baratra mafy, reko nanao hoe: «Aleloia! fa ny Tompo Andriamanitsika tsitoha no manjaka.


Dia nahita seza fiandrianana maro aho, izay nipetrahan’olona nahazo fahefana hitsara, sy nahita ny fanahin’ireo notapahin-doha noho ny fanambaràn’ireo sy noho ny tenin’Andriamanitra mbamin’ny an’ireo tsy nivavaka tamin’ny Biby na tamin’ny sariny, sy tsy nandray ny mariny na tamin’ny handriny, na tamin’ny tanany, fa efa velona ireo ka niara-nanjaka arivo taona tamin’i Kristy.


Nanangana mpitsara ihany i Iaveh hanafaka azy ireo tamin’izay nandrombaka azy;


Fa nitaraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely ka nananganan’i Iaveh mpanafaka izay namonjy azy izy, dia Otoniela zanak’i Keneza, zandrin’i Kaleba.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra