Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 1:8 - Baiboly Katolika

Fahitana no azoko tamin’ny alina: ka nisy lehilahy nitaingin-tsoavaly menapìny nijanona teo amin’ny hazo mirta, amin’ny toerana malokaloka; sady nisy soavaly nemapìny sy mavomena ary fotsy teo aoriany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nahita tamin’ny alina aho fa indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ny rotra teny amin’ny lohasaha lalina, ary teo aorianany dia nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Alina no nahitako fa indro nisy lehilahy mitaingin-tsoavaly mena ka nijanona teo anivon’ny hazo mirta teny an-dohasaha lalina; ary teo aoriany nisy soavaly mena sy sadamena ary fotsy sy mainty.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Alina no nahitako fa indro nisy lehilahy mitaingin-tsoavaly mena ka nijanona teo anivon’ny hazo mirta teny an-dohasaha lalina; ary teo aoriany nisy soavaly mena sy sadamena ary fotsy sy mainty.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nahita tamin’ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ny rotra teny an-dohasaha, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nahita tamin'ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin'ny rotra teny an-dohasaha, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nahita tamin’ny alina aho fa indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ny rotra teny amin’ny lohasaha lalina, ary teo aorianany dia nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.

Jereo ny toko



Zakaria 1:8
26 Rohy Ifampitohizana  

Tonga tamin’i Abimeleka tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina, ka nanao taminy hoe: «Indro ho faty ianao, noho ny amin’ny vehivavy nalainao, fa vadin’olona izy.»


Ary Andriamanitra niteny tamin’i Israely tamin’ny fahitana nony alina, nanao hoe: «Ry Jakôba! Ry Jakôba!» Ka hoy ny navalin’i Israely: «Inty aho.»


Ary i Iaveh niseho tamin’i Salômôna tamin’ny nofy, nony alina, tany Gabaôna, ka hoy Andriamanitra taminy: «Angataho izay tianao homeko anao.»


sy tsy maintsy manao fiantsoana ampahibemaso eo amin’ny tanànany rehetra sy any Jerosalema hoe: «Mankanesa any an-tendrombohitra ianareo dia mitondrà sampan’ôliva, sampan’ôliva maniry ho azy, sampan-drofia, ary sampan-kazo milobolobo, hanaovan-trano lay araka ny voasoratra.»


Tao amin’ny fahitana manjavozavo alina, tao anatin’ny fotoana mahasondrian-tory mafy ny olombelona,


Ahy ny malalako, ary azy aho; miandry ny ondriny eny amin’ny lisy izy.


Lasa nidina any an-tanimboliny ny malalako, dia any an-kisahasahan-kazo mitete dity manitra, hiandry ondry any an-tanimboliny, sy hioty lisy any.


Ny efitra hampaniriako sedera akasià, mirta sy ôliva; hataoko indray maniry eo amin’ny tany lava volo ny sipresa, platàna, ary boisy.


Ny sipresy no haniry eo amin’izay misy tsilo, ary ny mirta no hipoitra eo amin’izay misy hery. Ho voninahitra ho an’i Iaveh izany, ary tsangam-bato mandrakizay tsy horavana.


Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.


Ary ralehilahy izay teo amin’ny mirta, niteny nanao hoe: Ireo no nirahin’i Iaveh hitety ny tany.


Ka dia namaly ireo tamin’ny Anjelin’i Iaveh, izay teo amin’ny mirta ka nanao hoe: Efa nitety ny tany izahay, ka miadana sy mandry feizay avokoa ny tany.


Tamin’ny andro faha-24n’ny volana, izay volana Sabata, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa, tonga tamin’i Zakaria mpaminany, zanak’i Barakia, zanak’i Adô, ny tenin’Andriamanitra, dia izao:


Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Kapohy ny mpiandry, hihahàfan’ny ondry. Dia hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.


ary hoy izy hoe: «Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy mpaminanin’i Iaveh eo aminareo, dia fahitana no hisehoako aminy, ary nofy no hitenenako aminy.


Efa mby akaiky an’i Jerikô i Jôsoe, no nanopy maso nijery, ka indro nisy lehilahy anankiray nitana sabatra voatsoaka nijoro teo anatrehany; dia nanatona azy i Jôsoe, ka nanao taminy hoe: «Momba anay va ianao sa momba ny fahavalo?»


Manorata ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Efezy: Izao no lazain’Ilay mitana ny kintana fito eo an-tanany ankavanana, sy mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito:


Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly fotsy; ary ilay nitaingina azy dia nanana tsipìka, sy nomena satroboninahitra, ary lasa toy ny mpandresy ndeha handresy.


Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka, ary ilay nitaingina azy dia navela hanesotra ny fihavanana amin’ny tany, mba hifamonoan’ny olona, ka nomena sabatra lehibe izy.