Zakaria 1:8 - DIEM PROTESTANTA8 Alina no nahitako fa indro nisy lehilahy mitaingin-tsoavaly mena ka nijanona teo anivon’ny hazo mirta teny an-dohasaha lalina; ary teo aoriany nisy soavaly mena sy sadamena ary fotsy sy mainty. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20118 Nahita tamin’ny alina aho fa indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ny rotra teny amin’ny lohasaha lalina, ary teo aorianany dia nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara8 Alina no nahitako fa indro nisy lehilahy mitaingin-tsoavaly mena ka nijanona teo anivon’ny hazo mirta teny an-dohasaha lalina; ary teo aoriany nisy soavaly mena sy sadamena ary fotsy sy mainty. Jereo ny tokoBaiboly Katolika8 Fahitana no azoko tamin’ny alina: ka nisy lehilahy nitaingin-tsoavaly menapìny nijanona teo amin’ny hazo mirta, amin’ny toerana malokaloka; sady nisy soavaly nemapìny sy mavomena ary fotsy teo aoriany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy8 Nahita tamin’ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ny rotra teny an-dohasaha, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy. Jereo ny tokoMalagasy Bible8 Nahita tamin'ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin'ny rotra teny an-dohasaha, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache8 Nahita tamin’ny alina aho fa indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ny rotra teny amin’ny lohasaha lalina, ary teo aorianany dia nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy. Jereo ny toko |
Izany fankalazana izany koa dia tokony hampandrenesina ny olona ka hanaovana antso avo mitety an’i Jerosalema sy ny tanàna rehetra: hasaina mandeha any an-tendrombohitra ny olona haka sampan’ôliva volena na maniry ho azy, sampan-drotra, sampan-drofia, ary sampan-kazo be ravina mba hanaovana tranotomboka.
Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: «Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.