Nomery 7:13 - Baiboly Katolika Izao no nateriny: Lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo ireo, ho fanatitra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lovia volafotsy iray, milanja sekela telopolo amby zato no fanatiny; miaraka amin’io koa, lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina; Malagasy Bible Ary ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina; La Bible en Malgache Lovia volafotsy iray, milanja sekela telopolo amby zato no fanatiny; miaraka amin’io koa, lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; |
ny tavy sy ny sotron’afo ary ny kapoaka. Varahina manganohano avokoa ireo fanaka nataon’i Hirama ho an’i Salômôna ireo, tao amin’ny tranon’i Iaveh.
ka nolanjaiko teo anatrehan’izy ireo ny volafotsy, ny volamena sy ny fanaka, zavatra naterin’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina aman-dehibe ary ny olon-drehetra amin’i Israely vory teo, natokany ho an’ny tranon’Andriamanitra,
Dia hataonao ny loviany, ny vata kely fitoeran-java-manitra, ny kôpy aman-tasiny hanaovana ny fanatitra araraka; ka volamena madio no hanaovanao izany.
Izao no haloan’izay rehetra anatin’ny voaisa: antsasaky ny sikla masina izay roapolo gerà; antsasaky ny sikla no ho fanatitra halaina ho an’i Iaveh.
Nanao fanaka hapetraka eo ambonin’ny latabatra izy, dia ny loviany, ny fitoeran-java-manitra, ny kôpiny ary ny tasiny fanaovam-panatitra araraka; volamena madio no nanaovany an’ireo.
Nentin’ny kapitenin’ny mpiambina koa ny tavin-drano, ny fanembohana, ny vilia kely, ny vilany, dia izay vita amin’ny volamena sy ny volafotsy.
«Raha misy olona manolotra zavatra amin’i Iaveh hatao fanatitra, dia lafarina tsara indrindra no hateriny, ka horarahany diloilo eo amboniny sy hampiany emboka.
Raha lehilahy no hotombanana ny hatramin’ny roapolo taona, dia tombano volafotsy dimampolo sikla araka ny sikla masina;
Amin’izany andro izany, ny korintsandrintsan-tsoavaly, dia hisy hoe: Fahamasinana ho an’i Iaveh; ary ny vilany ao an-tranon’i Iaveh, ho toy ny kapoaka eo anoloan’ny ôtely.
izay hanao ny fanatitra ho an’i Iaveh, dia hanolotra lafarina tsara indrindra ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo ampahefatry ny hina, hatao fanatitra,
ary ny lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah, voadity tamin’ny diloilo ôliva voatoto, ampahefatry ny hina, hatao fanatitra.
Hataonareo izany ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana isam-bolana, mbamin’ny fanatitra momba azy, ary ny fanatitra araraka momba azy araka ny fitsipika voadidy. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.»
dia sikla dimy isan’olona no horaisinao aminy, ka araka ny sikla masina, izay gerà roapolo avy, no handraisanao azy;
Ka tamin’ny andro voalohany, dia i Nahasôna, zanak’i Aminadaba, avy amin’ny fokon’i Jodà no nanolotra ny fanatiny.
izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra;
Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy, ary nentiny tany amin-dreniny.
Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: «Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.»