Nomery 29:6 - Baiboly Katolika6 Hataonareo izany ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana isam-bolana, mbamin’ny fanatitra momba azy, ary ny fanatitra araraka momba azy araka ny fitsipika voadidy. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20116 ho fanampin’ny fanatitra dorana manontolo noho ny voaloham-bolana, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy, ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy, araka ny fanao aminy, ho hanitra ankasitrahana; fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA6 Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo isan’andro sy ny sorona dorana manontolo isaky ny andro voalohan’ny volana miaraka amin’ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara6 Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo isan’andro sy ny sorona dorana manontolo isaky ny andro voalohan’ny volana miaraka amin’ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy6 ho fanampin’ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah. Jereo ny tokoMalagasy Bible6 ho fanampin'ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache6 ho fanampin’ny fanatitra dorana manontolo noho ny voaloham-bolana, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy, ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy, araka ny fanao aminy, ho hanitra ankasitrahana; fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany. Jereo ny toko |
raha misy nanota tsy nahy fa tsy fantatry ny fiangonana izany, dia hanatitra vantotr’ombalahy iray ny fiangonana rehetra, ho sorona dorana, ho fanatitra mahafinaritra ho an’i Iaveh, mbamin’ny fanatitra sy ny fanatitra araraka momba azy, araka ny fomba voadidy, ary osilahy iray ho sorona noho ny ota.