Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 29:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo isan’andro sy ny sorona dorana manontolo isaky ny andro voalohan’ny volana miaraka amin’ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 ho fanampin’ny fanatitra dorana manontolo noho ny voaloham-bolana, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy, ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy, araka ny fanao aminy, ho hanitra ankasitrahana; fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo isan’andro sy ny sorona dorana manontolo isaky ny andro voalohan’ny volana miaraka amin’ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Hataonareo izany ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana isam-bolana, mbamin’ny fanatitra momba azy, ary ny fanatitra araraka momba azy araka ny fitsipika voadidy. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 ho fanampin’ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 ho fanampin'ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 29:6
14 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia nanao ny fankalazana ny Tranotomboka araka ny voasoratra koa ny Israelita ka nanolotra sorona dorana manontolo isan’andro araka izay voafetra hatao isan’andro.


Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia hohanin’i Aharôna sy ny taranany; kanefa hataony mofo tsy misy leviora izany, vao hohaniny eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana.


Raha tsy nahy no nanotan’ny fiangonana ka tsy fantany, dia hanolotra amiko TOMPO ombilahy iray ny fiangonana tsivakivolo ho sorona dorana manontolo izay hanetona ho hanitra ankasitrahina ho AHY; hampombaina izany ny fanatitra lafarinina sy divay, araka ny fanao, ary koa osilahy iray ho sorona fanalana ny ota.


Izay hitondra izany sorona izany ho Ahy TOMPO, dia hanao fanatitra lafarinina telo kilao voaharo menaka iray litatra sy tapany


Ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO dia izao: ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy.


Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota, hanaovana ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho anareo.


Ary raha misy vahiny eo aminareo ka te hankalaza ny Paska ho fanajana AHY, dia hanaraka ny fomba fanao amin’ny Paska izy. Mitovy ihany ny lalàna na amin’ny vahiny izany na amin’ny Israelita.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra