Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 14:8 - Baiboly Katolika

8 Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: «Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary rehefa nomen’ny reniny hevitra Razazavavy dia nilaza hoe: Omeo ahy eto ambony lovia ny lohan’i Jaona Mpanao batisa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Rehefa nomen-dreniny hevitra razazavavy, dia niteny hoe: –Omeo ahy etoana an-dovia ny lohan’i Jôhany Mpanao batisa!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Rehefa nomen-dreniny hevitra razazavavy, dia niteny hoe: –Omeo ahy etoana an-dovia ny lohan’i Jôhany Mpanao batisa!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan’i Jaona Mpanao-batisa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Ary rehefa nomen’ny reniny hevitra Razazavavy dia nilaza hoe: Omeo ahy eto ambony lovia ny lohan’i Jaona Mpanao batisa.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 14:8
17 Rohy Ifampitohizana  

Tsy mba nisy nilaza tamin’ny tompoko va ny nataoko tamin’ilay namonoan’i Jezabela ny mpaminanin’i Iaveh? Fa nanafina mpaminanin’i Iaveh zato lahy aho, nataoko dimampolo avy, any amin’ny zohy, novelomiko mofo sy rano.


fa fony i Jezabela nandringana ny mpaminanin’i Iaveh, dia naka mpaminany zato izy, nafeniny, nataony dimampolo avy, tany anaty zohy, novelominy mofo sy rano, tany.


Ka naniraka olona ho any amin’i Elia, i Jezabela, hilaza aminy hoe: «Hataon’ireo andriamanitra amin’izay ngidiny indrindra anie aho, raha tsy ataoko toy ny ain’izy ireny tsirairay avy ny ainao, rahampitso toy izao.»


Nony hitan’i Atalia renin’i Okoziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’andriana rehetra.


Ka izao no isany: siny volamena 30, siny volafotsy 1.000, antsy 29,


fa mihazakazaka ho amin’ny ratsy ny tongony; ary midodododo handatsa-dra izy ireo.


Halan’ny olona mpandatsa-dra ny tsy misy tsiny; fa miahy ny ain’izy io kosa, ny mahitsy fo.


Izao no nateriny: Lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo ireo, ho fanatitra;


Izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra izy roa ireo, ho fanatitra,


Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy, ary nentiny tany amin-dreniny.


Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona.


Dia nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy, dia nasainy nomena azy ihany izany;


Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe: «Inona no hangatahiko?» Ary hoy i reniny: «Ny lohan’i Joany Batista.»


Dia nidodododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe: «Tiako raha homenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan’i Joany Batista.»


ka nitondra azy tamin’ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra