Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 14:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Rehefa nomen-dreniny hevitra razazavavy, dia niteny hoe: –Omeo ahy etoana an-dovia ny lohan’i Jôhany Mpanao batisa!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary rehefa nomen’ny reniny hevitra Razazavavy dia nilaza hoe: Omeo ahy eto ambony lovia ny lohan’i Jaona Mpanao batisa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Rehefa nomen-dreniny hevitra razazavavy, dia niteny hoe: –Omeo ahy etoana an-dovia ny lohan’i Jôhany Mpanao batisa!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: «Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan’i Jaona Mpanao-batisa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 14:8
17 Rohy Ifampitohizana  

Moa tsy mba notantaraina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin’ny namonoan’i Jezebela ho faty ireo mpaminanin’ny TOMPO? Zato tamin’ireny mpaminanin’ny TOMPO ireny no nafeniko nitsinjara dimampolo avy tany anaty zohy ka novatsiko mofo sy rano.


fa tamin’ny nandringanan’i Jezebela ny mpaminanin’ny TOMPO, dia mpaminany zato no voavonjin’i Hôbadià rehefa nafeniny nitsinjara dimampolo avy tany anaty zohy ka novatsìny mofo sy rano.


Ary nandefa iraka tany amin’i Elià i Jezebela hanao hoe: «Enga anie ka hataon’ireo andriamanitra amiko ny famaizana faran’izay henjana indrindra, raha tsy afako toy ny nanaovanao ny ain’ny iray tamin’ireny koa ny ainao rahampitso tahaka izao!»


Rehefa hitan’i Hatalià renin’i Ahazià fa maty ity zanany lahy, dia niroso nandringana ny taranak’andriana rehetra izy.


Izao no isany: lovia volamena telopolo; lovia volafotsy arivo; antsy 29;


Fa mihazakazaka ho amin’ny ratsy izy sady dodona erỳ handatsa-dra.


Ny olona lian-drà mankahala ny olom-banona, fa ny olo-mahitsy kosa miahy ny ainy.


Dia nentina an-dovia ny lohan’i Jôhany; ka nomena an-drazazavavy, ary nentina tany amin-dreniny.


Noho izany, dia niozonozona mihitsy ity mpanjaka fa hanome an-drazazavavy ny zavatra hangatahiny na inona na inona.


Nalahelo ny mpanjaka; saingy noho izy niozonozona teo anatrehan’ny olona niara-nisakafo taminy, dia nasainy homena an-drazazavavy izany.


Dia lasa nivoaka ny efitrano fisakafoana razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: –Inona no hangatahiko? Ary hoy ireniny: –Ny lohan’i Jôhany Mpanao batisa.


Dia niditra faingana niaraka tamin’izay razazavavy nankeo amin’ny mpanjaka ary niteny taminy hoe: –Tiako homenao ahy izao dia izao an-dovia ny lohan’i Jôhany Mpanao batisa.


Nentiny an-dovia ny lohan’i Jôhany ka nomeny an-drazazavavy; ary razazavavy kosa nanome azy an-dreniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra