Matio 14:9 - Baiboly Katolika9 Dia nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy, dia nasainy nomena azy ihany izany; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20119 Dia nalahelo ny mpanjaka, nefa noho ny fianianany sy ireo olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia nandidy ihany izy mba hanomezana azy izany. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA9 Nalahelo ny mpanjaka; saingy noho izy niozonozona teo anatrehan’ny olona niara-nisakafo taminy, dia nasainy homena an-drazazavavy izany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara9 Nalahelo ny mpanjaka; saingy noho izy niozonozona teo anatrehan’ny olona niara-nisakafo taminy, dia nasainy homena an-drazazavavy izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy9 Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany. Jereo ny tokoMalagasy Bible9 Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache9 Dia nalahelo ny mpanjaka, nefa noho ny fianianany sy ireo olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia nandidy ihany izy mba hanomezana azy izany. Jereo ny toko |
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Ianareo sy ny vadinareo, samy efa nanambara tamin’ny vavanareo sy nanatanteraka tamin’ny tananareo nanao hoe: ‹Hoefainay tokoa ny voady nataonay, hanolotra emboka manitra sy handraraka fanatitra araraka ho an’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra.› Aoka àry, ka efao ny voadinareo, aza diso ny manatanteraka ny voadinareo.
Nony tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin-drainy izy, ka notanterahiny taminy ny voady efa nataony, ary mbola tsy nahalala lahy izy. Izany no niavian’izao fanao amin’i Israely izao: isan-taona ny zazavavy Israelita dia mandeha mankalaza ny zanaka vavin’i Jefte, ilay Galaadita, mandritra ny hefarana isan-taona.