Ny boky fanoratana ny mpisorona dia nalahatra araka ny fianakavian-drain’izy ireo ary ny Levita dia voasoratra araka ny raharahany sy ny antokony avy, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
Nomery 3:15 - Baiboly Katolika «Alao isa, araka ny fokom-pianakaviany, araka ny fianakaviany avy, ny taranak’i Levỳ, ka ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra no isao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Isao ny levita araka ny fianakaviany; ny lahy rehetra eo aminy hatramin’ny iray volana no ho miakatra no hisainao. DIEM PROTESTANTA –Ataovy ny fanisana ny taranak’i Levỳ isam-pianakaviana sy isan-tarika avy, ka ny Levita lahy rehetra feno iray volana no ho miakatra no hoisainao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Ataovy ny fanisana ny taranak’i Levỳ isam-pianakaviana sy isan-tarika avy, ka ny Levita lahy rehetra feno iray volana no ho miakatra no hoisainao. Baiboly Protestanta Malagasy Alamino ny Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin’ny iray volana no ho miakatra no halaminao. Malagasy Bible Alamino ny Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin'ny iray volana no ho miakatra no halaminao. La Bible en Malgache Isao ny levita* araka ny fianakaviany; ny lahy rehetra eo aminy hatramin’ny iray volana no ho miakatra no hisainao. |
Ny boky fanoratana ny mpisorona dia nalahatra araka ny fianakavian-drain’izy ireo ary ny Levita dia voasoratra araka ny raharahany sy ny antokony avy, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
«Mandehana, ataovy antso avo ho ren’i Jerosalema izao teny izao:» Izao no lazain’i Iaveh: «Tsaroako ny firaiketam-ponao tamiko, fony ianao mbola tanora, ny fitiavanao, fony ianao vao fofom-bady; dia ilay nanarahanao Ahy tany an’efitra, tany amin’ny tany tsy famafazana.
Niseho tamiko tany lavitra tany i Iaveh. Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao; izany no nampaharetako ny famindram-po aminao.
hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia ny lehilahy rehetra amin’i Israely izay mahatàm-piadiana. Ianao sy i Aarôna no hanisa azy araka ny isan-tokony avy;
Izao kosa no voaisa tamin’ny Levita araka ny fokony avy: ny fokon’ny Gersônita avy tamin’i Gersôna, ny fokon’ny Kaatita avy tamin’i Kaata, ny fokon’ny Merarita avy tamin’i Merarỳ.
Ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra voaisa tamin’izy ireo dia 23.000. Fa tsy mba anatin’ny voaisa tamin’ny zanak’i Israely izy ireo, satria tsy mba nomena zaratany teo afovoan’ny zanak’i Israely.
Dia nataon’i Môizy ny fanisana azy ireo, noho ny tenin’i Iaveh, araka ny nandidiany azy.
Ny voaisa tamin’izy ireo, tamin’ny nanisana ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, ny voaisa dia dimanjato amby fito arivo.
Tamin’ny nanisana ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra dia 8.600 no isany, izay niandraikitra ny fiambenana ny fitoerana masina.
Roan-jato amby enina arivo no isan’izy ireo, tamin’ny nanisana ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra.
ka nisy 22.273 ny lahy matoa rehetra voaisa, hatramin’ny iray volana no ho miakatra, nisaina araka ny anarany avy.
ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: «Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny fanjakan’Andriamanitra.
sady hatry ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala Soratra Masina, izay mampahendry anao ho amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa.