Nomery 14:11 - Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no haniratsiràn’ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy, na dia eo aza ny fahagagana rehetra nataoko teo afovoany? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamingavingan’ity firenena ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy? DIEM PROTESTANTA Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mandra-pahoviana no hanamavoan’ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no handavany tsy hino Ahy, na dia teo aza ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mandra-pahoviana no hanamavoan’ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no handavany tsy hino Ahy, na dia teo aza ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy? Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian’ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy? Malagasy Bible Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian'ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy? La Bible en Malgache Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamingavingan’ity firenena ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy? |
Taorian’izany rehetra izany, mbola nanota ihany izy ireo, ka tsy nino ny fahagagana nataony.
Aza manamafy ny fonareo, toy ny tany Meribà, tahaka ny tamin’ny andro tao Masà, tany an’efitra,
Dia nankany amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny Hebrio: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hietry eo anatrehako? Alefaso ny vahoakako hanompo Ahy.
Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?
Mitandrema tena eo anatrehany ary henoy ny feony; aza manohitra azy, fa tsy hamela ny fandikanareo ny didiny izy, satria ny Anarako no eo aminy.
«Mandra-pahoviana, ry kely saina, no hitiavanareo ny fahakelezan-tsaina? Mandra-pahoviana no hifalian’ny mpananihany amin’ny fananihaniana, ary hankahalan’ny adala ny fahaizana?
Ity vahoaka ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ny ditran’ny fony, sy manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy, dia ho tahaka ity fehikibo tsy azo atao na inona na inona intsony ity.
Ry Jerosalema ô, diovy ho afaka amin’ny ratsy ny fonao, mba hovonjena ianao; mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao?
Nivadika tamiko anefa ny taranak’i Israely, tany an’efitra, tsy nanaraka ny lalàko izy, sady nanary ny didiko, izay ahaveloman’ny olona manaraka azy, ary nametaveta izaitsizy ny sabatako. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin’izy ireo tany an’efitra Aho, mba handringana azy.
Naharikoriko Ahy ity zanak’ombinao, ry Samaria; nirehitra tamin’izy ireo ny fahatezerako. Mandra-pahoviana no tsy hahazoana mandio azy ireo?
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Toy ny nikasako hahatonga loza taminareo fony nihantsy ny hatezerako ny razanareo, hoy i Iavehn’ny tafika, ka tsy nanenenako izany,
dia tsy hahita mihitsy ny tany nampanantenaiko ny razany tamim-pianianana. Tsy misy hahita izany ireo naniratsira Ahy ireo.
«Mandra-pahoviana no handeferako ity fiangonana ratsy mimonomonona amiko ity? Reko ny fimonomononana ataon’ny zanak’i Israely amiko.
Ary nirehitra ny fahatezeran’i Iaveh tamin’izay andro izay, ka nianiana Izy nanao hoe:
Dia norahonan’i Jesoa ny demony ka nivoaka, ary sitrana niaraka tamin’izay razazalahy.
Dia nentiny nankeo aminy izy, ary vantany vao nahita Azy ny demony, dia nampifanintontsintona ny zaza, ka lavo nitsinkasina sady nandoa vory.
fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy te hino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asako, dia ho fantatrareo fa ny Ray eto amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray.»
Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsy nataon’ny olona na iza na iza, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa nahita izy sady efa nankahala Ahy sy ny Raiko.
Fa iza moa ireny nahasosotra Azy nony efa nandre ny feony? Moa tsy ireo rehetra nentin’i Môizy niala tany Ejipta va?
Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin’ny fialàny sasatra, afa-tsy ry zareo tsy nanaiky?
aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana tamin’ny andron’ny fakam-panahy tany an’efitra,