Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hebreo 3:18 - Baiboly Katolika

18 Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin’ny fialàny sasatra, afa-tsy ry zareo tsy nanaiky?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin’ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Raha nianiana Andriamanitra nanao hoe: «Tsy hiditra mihitsy ao amin’ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo», iza moa no lazainy? Ireo tsy nanaiky.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Raha nianiana Andriamanitra nanao hoe: «Tsy hiditra mihitsy ao amin’ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo», iza moa no lazainy? Ireo tsy nanaiky.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin’ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin'ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin’ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 3:18
16 Rohy Ifampitohizana  

satria tsy nino an’Andriamanitra izy ireo, ary tsy natoky ny famonjeny.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no haniratsiràn’ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy, na dia eo aza ny fahagagana rehetra nataoko teo afovoany?


dia tsy hahita mihitsy ny tany nampanantenaiko ny razany tamim-pianianana. Tsy misy hahita izany ireo naniratsira Ahy ireo.


dia tsy hisy hiditra amin’ny tany izay nianianako fa hamponenana anareo, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Jôsoe zanak’i Nona.


ireo lehilahy ireo izay nanao laza ratsy ny tany dia maty voan’ny loza teo anatrehan’i Iaveh.


Fa hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Noho ianareo tsy nino Ahy, mba hanamasina Ahy, eo imason’ny zanak’i Israely, dia tsy hampiditra ity fiangonana ity any amin’ny tany izay omeko azy ianareo.»


Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana, fa itoeran’ny hatezeran’Andriamanitra.


Fa ianareo fahiny mba tsy nanaiky an’Andriamanitra ihany, nefa noho ny tsy naneken’izy ireny dia nahazo famindram-po ankehitriny.


Ary raha nasain’i Iaveh handeha avy ao Kadesa-Barne ianareo, nataony hoe: Miakara, alaovy ho anareo ny tany izay omeko anareo; dia notoherinareo ny tenin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa tsy nino Azy ianareo na nanaiky ny feony.


koa nianiana noho ny hatezerako Aho fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo:


Koa aoka isika hazoto miditra amin’izany fialan-tsasatra izany, mba tsy hisy ho latsaka amin’ny tsy finoana tahaka ireny koa.


Fa isika koa dia nitoriana filazana mahafaly toa an’ireny, saingy tsy nombany finoana ny teny ren’izy ireny, ka tsy nahasoa azy akory.


Koa noho ny sasany dia mbola mahazo miditra ao, fa ireo nitoriana voalohany no tsy tafiditra noho ny tsy finoany,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra