Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hebreo 3:16 - Baiboly Katolika

16 Fa iza moa ireny nahasosotra Azy nony efa nandre ny feony? Moa tsy ireo rehetra nentin’i Môizy niala tany Ejipta va?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Fa iza moa no nahatezitra Azy rehefa nandre? Tsy izay rehetra noentin’i Mosesy niala tany Ejipta va?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 Iza moa ireo nandre ny feon’Andriamanitra nefa niodina taminy? Ireo rehetra nentin’i Mosesy niala tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Iza moa ireo nandre ny feon’Andriamanitra nefa niodina taminy? Ireo rehetra nentin’i Mosesy niala tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin’i Mosesy niala tany Egypta va?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin'i Mosesy niala tany Egypta va?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Fa iza moa no nahatezitra Azy rehefa nandre? Tsy izay rehetra noentin’i Mosesy niala tany Ejipta va?

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 3:16
18 Rohy Ifampitohizana  

Nefa izy ireo mbola nanohy ny nanota taminy, sy nikomy tamin’ny Avo indrindra tany an’efitra.


Impiry akory moa izy ireo no niodina taminy tany an’efitra, nampahatezitra Azy tany amin’ny tany mangingina!


Hiditra amin’ity tanàna ity ny Kaldeanina izay mamely azy; ka handrendrika ity tanàna ity izy, dia handoro azy mbamin’ny trano nanaterana emboka manitra ho an’i Baala teo ambonin’ny tafony, sy nandrarahany fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa, mba hampahatezitra Ahy.


noho ny ratsy nataony hampahatezitra Ahy tamin’ny nandehanany hanatitra emboka manitra amam-panompoana amin’izay andriamani-kafa tsy nisy nahalala, na izy, na ianareo, na ny razanareo.


dia izay hampahatezitra Ahy amin’ny asan-tananareo, amin’ny anateranareo emboka manitra amin’izay andriamani-kafa, eo amin’ny tany Ejipta, izay nidiranareo hitoerana, mba haharingana anareo, sy hahatonga anareo ho fanozona sy fandatsa amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany?


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no haniratsiràn’ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy, na dia eo aza ny fahagagana rehetra nataoko teo afovoany?


Nimonomonona tamin’i Môizy sy i Aarôna ny zanak’i Israely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra tamin’izy ireo: «Inay anie izahay maty tany an-tany Ejipta, na inay anie izahay maty atỳ amin’ity efitra ity.


Fa i Kaleba mpanompoko kosa, izay nanana hevitra hafa, ary niraikitra tsy nivadika tamiko, dia hampidiriko any amin’ny tany efa nalehany, ary hanana izany ny taranany.


dia tsy hisy hiditra amin’ny tany izay nianianako fa hamponenana anareo, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Jôsoe zanak’i Nona.


I Jôsoe zanak’i Nona sy i Kaleba zanak’i Jefone no velona tamin’ireo lehilahy nisafo ny tany.


Dia nifampilaza hoe izy: «Andeha hifidy mpitarika isika, ka hiverina any Ejipta.»


Fa ireny efa nilazan’i Iaveh hoe: Ho faty any an’efitra; ka tsy nisy sisa intsony tamin’ireny, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Jôsoe zanak’i Nona.


fa i Jôsoe mpanomponao zanak’i Nona, no hiditra any; ankaherezo izy, fa izy no hampahazo an’i Israely izany tany izany;


Tiako ny hampahatsiaro anareo ny zavatra efa renareo taloha, fa nony efa novonjen’ny Tompo ho afaka tany Ejipta ny vahoakany, dia naringany indray izay tsy nino tatỳ aoriana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra