Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hebreo 3:8 - Baiboly Katolika

8 aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana tamin’ny andron’ny fakam-panahy tany an’efitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 dia aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana, tamin’ny andron’ny fakam-panahy tany an-tany efitra,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 dia aza hamafisina ny fonareo, tahaka ny tamin’ny andro niodinan’ny razanareo tamin’Andriamanitra, tahaka ny tamin’ny andro nakana fanahy Azy tany an-taniefitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 dia aza hamafisina ny fonareo, tahaka ny tamin’ny andro niodinan’ny razanareo tamin’Andriamanitra, tahaka ny tamin’ny andro nakana fanahy Azy tany an-taniefitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Aza manamafy ny fonareo Tahaka ny tamin’ny fahasosorana, tamin’ny andro fakam-panahy tany an-efitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana, tamin'ny andro fakam-panahy tany an-efitra,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 dia aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana, tamin’ny andron’ny fakam-panahy tany an-tany efitra,

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 3:8
28 Rohy Ifampitohizana  

Fa tsy nihaino izany izy ireo, fa nanamafy ny hatony, toy ny razany izay tsy nino an’i Iaveh Andriamaniny.


Koa aza manamafy ny hatokareo, toy ny nataon’ny razanareo, fa atolory an’i Iaveh ny tananareo, tongava ao amin’ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay, ary manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, mba hialan’ny afon’ny fahatezerany aminareo.


Nikomy tamin’i Nabokodonozora mpanjaka aza izy, izay efa nampianiana azy tamin’ny anaran’Andriamanitra. Nanamafy ny hatony sy nanamafy ny fony izy, mba tsy hiverenany amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.


«Kanjo ny razanay, latsaka am-piavonavonana izy ireo ka nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao.


Fa hendry Andriamanitra ao am-pony, mahefa Izy amin’ny heriny. Zovy moa no hanohitra Azy, ka tsy naninon-tsy naninona?


Voan’ny fitsiriritana tany an’efitra izy, ka naka fanahy an’Andriamanitra tany an-tany mangingina.


Naka fanahy an’Andriamanitra tao am-pony izy ireo, nangataka hanina araka ny fitsiriritany.


Na dia izany aza, mbola naka fanahy sy nihantsy an’Andriamanitra Avo indrindra ihany izy ireo, ka tsy nitandrina ny didiny.


Aza manamafy ny fonareo, toy ny tany Meribà, tahaka ny tamin’ny andro tao Masà, tany an’efitra,


ary nomeny anarana hoe: Masah sy Meribah io fitoerana io, fa nila akisa ny zanak’i Israely, sy naka fanahy an’i Iaveh nanao hoe: «Eto afovoantsika va i Iaveh sa tsia?»


Ka hoy ny mpanao ody tamin’i Faraôna: Rantsan-tanan’Andriamanitra izany. Ary nihamafy anefa ny fon’i Faraôna ka tsy nihaino azy ireo Izy, araka ny efa voalazan’i Iaveh.


Sambatra ny olona izay manam-pahatahorana mandrakariva; fa izay manadonto ny fony kosa ho latsaka anatin’ny fahoriana.


Ny olona tandrifin’ny hanarina, ka mihamafy hatoka, dia ho torotoro tampoka tsy hisy fanafody hahasitrana.


kanefa izy ireo tsy nihaino Ahy, tsy nanongilan-tsofina; fa nanamafy ny hatony, nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no haniratsiràn’ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy, na dia eo aza ny fahagagana rehetra nataoko teo afovoany?


fa ny fon’ity vahoaka ity efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto, ary ny masony efa nakimpiny, sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositraniko.


Tsy nety nino anefa ny sasany fa nikiribiby, sady nanaratsy ny Lalan’ny Tompo teo anatrehan’ny vahoaka, ka nisaraka tamin’ireo i Paoly, ary navahany ny mpianatra, dia nampianariny isan’andro tao amin’ny trano fampianaran’olona atao hoe Tiranosa.


Izy ihany no nanafaka azy ireo, tamin’ny fahagagana amam-pamantarana nataony tany Ejipta, sy tao amin’ny ranomasina Mena, ary tany an’efitra efapolo taona.


Eny, aoka isika tsy haka fanahy an’i Kristy, tahaka ny nakan’ny sasany tamin’ireny fanahy Azy, ka matin’ny bibilava izy ireny;


«Aza maka fanahy an’i Iaveh Andriamanitrareo, tahaka ny nakanareo fanahy Azy tany Masah.


Nahoana ianareo no dia hanamafy ny fonareo, toy ny nanamafisan’i Ejipta sy i Faraôna ny fony? Tsy nalefan’ireo handeha va ny zanak’i Israely, nony efa nasiany tamin’ny saziny izy ireo?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra