Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo.
Mpitsara 8:30 - Baiboly Katolika Fitopolo lahy no zanaka naterak’i Jedeôna fa maro vady izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanan-janaka fitopolo lahy izay naterany i Gideona, satria maro ny vadiny. DIEM PROTESTANTA Nanan-janakalahy fitopolo izy satria maro vady. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanan-janakalahy fitopolo izy satria maro vady. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Gideona nana-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy. Malagasy Bible Ary Gideona nanan-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy. La Bible en Malgache Nanan-janaka fitopolo lahy izay naterany i Gideona, satria maro ny vadiny. |
Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo.
Ny isan’izy rehetra niaraka tamin’i Jakôba nankany Ejipta, afa-tsy ny vadin-janany lahy, fa ny naloaky ny kibony ihany, dia enina amby enimpolo.
Niditra ao an-tsambo fiara i Nôe mbamin’ny zanany sy ny vadiny ary ny vinantovaviny mba tsy ho tratry ny safodrano.
700 no vadiny andriambavy, ary 300 ny vaditsindranony, ka ireo vadiny ireo no nampivily ny fony.
Nisy zanak’i Akaba fitopolo lahy tany Samaria, ka nanoratra taratasy i Jehò nampitondrainy tany Samaria ho an’ny lehiben’i Jezrahela, dia ny loholona, ary ho an’ny tonian’ny fikarakarana ny zanak’i Akaba, ary izao no teniny:
Moa tsy iray no nataony misy nofo sy aina? Ary io iray io, inona no tadiaviny? - Nitady taranaka araka an’Andriamanitra izy. Ka mitandrema tsara ny fitondran-tenanareo, fa aza misy mamitaka ny vadin’ny fahatanorany.
Aoka tsy hampirafy maro izy, fandrao mivily ny fony, ary aoka tsy hamory volafotsy sy volamena be miavosa izy.
Izy nanan-janaka telopolo lahy, izay nitaingina ampondra telopolo sy nanan-tanàna telopolo, izay mbola antsoina mandraka androany hoe, Tranon’i Jaira, ary any amin’ny tany Galaada no nisy azy.
Nanan-janaka efapolo lahy sy zafy telopolo lahy izy, izay nitaingina zanak’ampondra telopolo.
Nanan-janaka telopolo lahy izy; ary zanany vavy telopolo no nampanambadiany tany ivelan’ny fianakaviany; ary ny zanany lahy kosa nangalany zazavavy telopolo avy any ivelany. Nandritra ny fito taona izy no mpitsara tany Israely.
Niteraka zazalahy taminy ny vadintsindranony tany Sikema, ka natao hoe Abimeleka ny anarany.
Niainga i Abimeleka zanak’i Jerobaala, ka nankany Sikema amin’ireo anadahin-dreniny, ary nilaza izao teny izao tamin’ireo sy tamin’ny fokon’ny rain-dreniny rehetra:
kanjo nitsangan-kamely ny ankohonan’i dada kosa ianareo androany; ny zanany fitopolo lahy novonoinareo teo ambony vato iray ihany, ary i Abimeleka zanak’andevovaviny no natsanganareo ho mpanjakan’ny mponina ao Sikema, satria rahalahinareo io.
«Raha sitrakareo mba lazao kely ho ren’ny mponina rehetra ao Sikema izao: Inona no tsara ho anareo ny hanjakan’izy fitopolo lahy, samy zanak’i Jerobaala, aminareo va, sa ny hanjakan’ny lehilahy iray aminareo? Ary tsarovy fa taolana sy fonareo ihany aho».
Dia tonga tao an-trano-drainy, tany Efrà izy, ary namono ny rahalahiny fitopolo lahy zanak’i Jerobaala, teo ambonin’ny vato iray ihany. Tsy nisy afa-nandositra afa-tsy i Joatama, ilay faralahin’i Jerobaala, irery, satria niery io.