Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Malakia 2:15 - Baiboly Katolika

15 Moa tsy iray no nataony misy nofo sy aina? Ary io iray io, inona no tadiaviny? - Nitady taranaka araka an’Andriamanitra izy. Ka mitandrema tsara ny fitondran-tenanareo, fa aza misy mamitaka ny vadin’ny fahatanorany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Nahoana no nisy iray nanao izany nefa mba manam-panahy ihany? Taranaka araka an’Andriamanitra anefa no notadiavin’ilay iray. Koa tandremo ny fiainanareo ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 Tsy efa nataon’ny TOMPO ho tena iray amin’ny vadinareo ve ianareo, ara-batana sy ara-panahy? Ary inona no tadiavin’izany tena iray izany? Moa va tsy ny hanan-taranaka araka an’Andriamanitra? Koa dia mitandrema tena ianareo, aza ilaozana ny vadin’ny fahatanoranareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Tsy efa nataon’ny TOMPO ho tena iray amin’ny vadinareo ve ianareo, ara-batana sy ara-panahy? Ary inona no tadiavin’izany tena iray izany? Moa va tsy ny hanan-taranaka araka an’Andriamanitra? Koa dia mitandrema tena ianareo, aza ilaozana ny vadin’ny fahatanoranareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany? Fa inona andrefa no notadiavin’ilay anankiray? Taranaka araka an’Andriamanitra. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany ? Fa inona andrefa no notadiavin'ilay anankiray? Taranaka araka an'Andriamanitra. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Nahoana no nisy iray nanao izany nefa mba manam-panahy ihany? Taranaka araka an’Andriamanitra anefa no notadiavin’ilay iray. Koa tandremo ny fiainanareo ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany.

Jereo ny toko dika mitovy




Malakia 2:15
39 Rohy Ifampitohizana  

Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo.


Vovo-tany no nanaovan’i Iaveh Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona.


Misotroa, fa hantsakako mbamin’ny ramevanao koa, no aoka ho ilay vady nalahatr’i Iaveh ho an’ny zanaky ny tompoko.›


Ary hoy i Rebekà tamin’i Isaaka: «Boboky ny miaina aho noho ny amin’ireny zanaka vavin’i Heta ireny, raha maka vady tahaka ireny i Jakôba, amin’ireny zanaka vavin’i Heta ireny, amin’ny zazavavy amin’ity tany ity, dia hampaninona ahy intsony izay aina?»


dia hitan’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olombelona, ka naka vady tamin’izy ireo izy, dia tamin’izay rehetra tiany.


Nivory teo amiko avokoa izay nangovitra noho ny tenin’ny Andriamanitr’i Israely, noho ny otan’ny zanaky ny fahababoana; izaho izany mbola tafatombina nivarahontsana teo ihany mandra-pahatongan’ny fanatitra hariva.


Ny antsasaky ny zanak’ireo nanao teny azôtianina, fa tsy nahay teny Jodeanina; tahaka izany koa ny amin’ny fitenin’ny vahoaka hafa sasany.


raha mbola manam-pofon’aina koa aho, ka mbola eo am-bavoroko ny fofon’ain’Andriamanitra;


«Tsy hijangajanga ianao.»


izay mandao ny naman’ny fahatanorany, sy manadino ny fanekeny amin’ny Andriamaniny;


Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.


Aza maniry ny hatsaran-tarehiny, ao am-ponao, ary aza mety hambosin’ny hodi-masony ianao.


Aoka ny fonao tsy hivily hankany amin’ny lalan’io, aza maniasia any amin’ny sakeli-dalany.


dieny mbola tsy miverina amin’ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray, ary ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome azy.


Izaho anefa namboly anao, ho karazam-boaloboka tsara indrindra, avy amin’ny fototra tena tsara avokoa. Ka ahoana no dia niovanao amiko, ho sampana ratsy avy amin’ny voaloboka hafa karazana?


Raha misy lehilahy maka vadin’olona, ka mandry amin’ny vadin’ny namany, dia hatao maty izy ireo ho valin’izany, na ralehilahy naka vadin’olona na ravehivavy nalainy.


Ary hoy ianareo: Nahoana izany? I Iaveh dia efa vavolombelona manelanelana anao sy ny vadin’ny fahatanoranao izay nofitahinao, nefa Izy no namanao sy vady vita fanekena taminao.


Satria ny fo no iavian’ny hevitra ratsy, ny famonoana olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampangalainga, ny vava ratsy;


Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Raiso ny Fanahy Masina:


Ianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny razantsika, raha Izy nilaza tamin’i Abrahama hoe: Ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,


satria ny lahy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny vavy; ary ny vehivavy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny lehilahy koa; fa raha tsy izany dia haloto ny zanakareo, nefa masina izy izao.


Mba hanalavirana ny fijangajanga anefa, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny, ary aoka ny vehivavy samy hanana ny vadiny.


dia horaisiko ianareo, ka Izaho ho Rainareo, ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy ny Tompo mahefa ny zavatra rehetra.


Ianareo ray aman-dreny kosa, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa beazo amin’ny famaizana amam-pananarana ao amin’ny Tompo izy.


fa havilin’ireny tsy hanaraka Ahy ny zanakao lahy izay hanompo andriamani-kafa, ka hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Iaveh, dia haringany vetivety ianao.


dia olona tsy manan-tsiny, nanambady indray mandeha ihany, sady mpino ny zanany no tsy ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy, na maditra.


Hanahaka ny tranon’i Fareza izay naterak’i Tamara tamin’i Jodà anie ny tranonao, amin’ny taranaka homen’i Iaveh anao amin’ity zazavavy ity.»


Ary i Helì nitso-drano an’i Elkanà mivady ka nanao hoe: «Homen’i Iaveh taranaka amin’ity vehivavy ity anie ianao noho ny fanomezana nataony ho an’i Iaveh.» Dia lasa nody izy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra