Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Gada: «Latsaka am-panahiana lozan-tany aho ity! Indrisy! Aoka re, fa dia aleontsika ho azon’ny tanan’i Iaveh fa be famindram-po Izy, toy izay ho azon’ny tanan’ny olombelona.»
Mika 7:19 - Baiboly Katolika Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny faharatsiantsika. Harianao any ambany ranomasina, ny fahotany rehetra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny fahotantsika; eny, harianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. DIEM PROTESTANTA Hamindranao fo indray izahay, hohitsakitsahinao ny helokay; ary any ambany ranomasina lalina any no hanarianao ny fahotanay rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hamindranao fo indray izahay, hohitsakitsahinao ny helokay; ary any ambany ranomasina lalina any no hanarianao ny fahotanay rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika,– Eny, harianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. Malagasy Bible Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. La Bible en Malgache Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny fahotantsika; eny, harianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. |
Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Gada: «Latsaka am-panahiana lozan-tany aho ity! Indrisy! Aoka re, fa dia aleontsika ho azon’ny tanan’i Iaveh fa be famindram-po Izy, toy izay ho azon’ny tanan’ny olombelona.»
Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika.
Tsy misy mponina manao hoe: «Marary aho!» Nahazo ny famelana ny helony, ny vahoaka monina ao Siôna.
koa indro manjary fiadanana ho ahy ny mangidy mafy indrindra. Nanesotra ny fanahiko Ianao, teo amin’ny lavaka famoizana; narianao any ivohonao ny fahotako rehetra.
Izaho dia Izaho ihany no namono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny Tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.
Moa zanaka malala loatra ho ahy va i Efraima, zanaka mahazo tombom-pitia? fa isaky ny miteny mamely azy Aho, dia mba mahatsiaro azy ihany indray; ka mangotika ny atiko noho ny aminy? Eny hamindra fo aminy Aho. - teny marin’i Iaveh. -
Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: «Mahalalà an’i Iaveh!» Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, - teny marin’i Iaveh. Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Hodioviko izy ho afaka amin’ny haratsiany rehetra izay nanotany tamiko. Havelako izy amin’ny helony rehetra izay nanevatevany Ahy, izay niodinany tamiko.
Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, - teny marin’i Iaveh, - hikaroka izay helok’i Israely ny olona, fa tsy hisy intsony izany, ary izay fahotan’i Jodà, fa tsy ho hita intsony izany, satria havelako heloka izay sisa navelako.
Tsy hotsarovana intsony ny fahadisoana rehetra nataony; ho velona izy noho ny fanarahany ny marina.
Ary tsy hanafina ny Tavako aminy intsony Aho, satria hampidiniko amin’ny taranak’i Israely ny Fanahiko; - teny marin’ny Tompo Iaveh.-
I Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô! amin’ny asan’ny tananay. Ianao, izay ahitàn’ny kamboty fiantrana!
Ary niteny ilay Anjely ka nilaza tamin’ireo nitsangana teo anatrehany nanao hoe: «Esory ny fitafiana maloto eny aminy.» Dia hoy izy taminy: «Jereo, efa noesoriko taminao ny haratsianao; sady fitafiana fitondra amin’ny fety no natafiko anao.»
Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana, satria ianareo tsy ambanin’ny Lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana.
Satria raha velona ara-nofo ianareo dia ho faty; fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo.
i Iaveh Andriamanitrao kosa hampody izay babo aminao sy hamindra fo aminao. Hangoniny avy amin’ny firenena nanelezan’i Iaveh anao indray ianao.
Hoforàn’i Iaveh Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao, hitiavanao an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra mba ho velona ianao.
Fa homen’i Iaveh rariny ny vahoakany, ary nony mpanompony dia hanenina izy, rehefa hitany fa lany hery ireo, ka tsy misy sisa intsony na ny andevo na ny olona afaka.
Izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.
Izay manota dia avy amin’ny devoly, fa mpanota hatrany am-boalohany ny devoly. Ary ny handrava ny asan’ny devoly no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra.