Moa Andriamanitra hihaino ny fitarainany akory va, amin’ny andro hamelezan’ny fahoriana azy?
Mika 3:4 - Baiboly Katolika Hitaraina amin’i Iaveh izy ireo amin’izany, nefa tsy hohenoiny; hafeniny amin’izy ireo ny Tavany amin’izany andro izany, araka ny haratsiana nanaovany ny asany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa mitaraina amin’NY TOMPO ireo dia tsy hihaino azy Izy; hanafina ny tavany aminy Izy amin’izany andro izany, ho valin’ny ratsy nataony. DIEM PROTESTANTA Amin’izany, dia hitaraina amin’ny TOMPO ianareo, nefa tsy hohenoiny; hihodina tsy hijery anareo Izy noho ny asa ratsy nataonareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany, dia hitaraina amin’ny TOMPO ianareo, nefa tsy hohenoiny; hihodina tsy hijery anareo Izy noho ny asa ratsy nataonareo. Baiboly Protestanta Malagasy Amin’izany dia hitaraina amin’i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin’izany andro izany Izy Araka ny faharatsian’ny nataon’ireo. Malagasy Bible Amin'izany dia hitaraina amin'i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin'izany andro izany Izy Araka ny faharatsian'ny nataon'ireo. La Bible en Malgache Rehefa mitaraina amin’NY TOMPO ireo dia tsy hihaino azy Izy; hanafina ny tavany aminy Izy amin’izany andro izany, ho valin’ny ratsy nataony. |
Moa Andriamanitra hihaino ny fitarainany akory va, amin’ny andro hamelezan’ny fahoriana azy?
Raha misy mamily ny sofiny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
Raha manandratra ny tananareo ianareo, misarona maso eo anoloanareo Aho; raha mampitombo ny fivavahana ianareo, tsy mihaino akory Aho: Feno ra ny tananareo.
Loza ho an’ny ratsy fanahy! fa hidiran-doza izy, fa haverina aminy ny nataon’ny tanany.
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh: «Indro Aho hahatonga loza aminy, tsy ho azony idifiana. Ka na hitaraina amiko aza izy, tsy hohenoiko akory.
Rehefa hifady hanina izy, tsy hohenoiko ny fitarainany, rehefa hanolotra sorona dorana amam-panatitra ho ahy izy, tsy hankasitrahiko; fa tiako haripaka izy amin’ny sabatra, ny mosary, sy ny areti-mandringana.»
ary koa ny amin’ireo amin’ny fatin’olona, izay hovonoiko noho ny fahatezerako amam-pahavinirako, ary noho ny amin’ny haratsian’izy ireo ka hanafenako ny tavako amin’ity tanàna ity:
Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»
Ary Izaho koa hamely an-katezerana; tsy hiantra ny masoko; tsy hamindra fo Aho; hitaraina mafy eo an-tsofiko izy ireo, kanefa tsy hohenoiko akory.»
Hangaihay ny mpahita, ary ho mena azon’ny henatra ny mpanao fankatoavana; hisarom-bolom-bavany izy rehetra, fa tsy hisy intsony ny valy avy amin’Andriamanitra.
Ka dia nisy toy izao: Toy ny niantsoany, fa tsy nohenoin’izy ireo; no hiantsoan’izy ireo koa, fa tsy hohenoiko izy ireo, hoy i Iavehn’ny tafika.
Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay?
Satria rehefa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano no tavela any alatrano ianareo ka handondòna ny varavarana hanao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hovaliany hoe: Tsy fantatro izay niavianareo
Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay manompo Azy sy manao ny sitrapony no henoiny.
Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy namindra fo; ary ny famindram-po no maharesy ny fitsarana.
Hitaraina ianareo amin’izany andro izany, noho ny amin’ny mpanjaka nofidinareo, nefa tsy hihaino anareo i Iaveh».