Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 3:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Amin’izany, dia hitaraina amin’ny TOMPO ianareo, nefa tsy hohenoiny; hihodina tsy hijery anareo Izy noho ny asa ratsy nataonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Rehefa mitaraina amin’NY TOMPO ireo dia tsy hihaino azy Izy; hanafina ny tavany aminy Izy amin’izany andro izany, ho valin’ny ratsy nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Amin’izany, dia hitaraina amin’ny TOMPO ianareo, nefa tsy hohenoiny; hihodina tsy hijery anareo Izy noho ny asa ratsy nataonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Hitaraina amin’i Iaveh izy ireo amin’izany, nefa tsy hohenoiny; hafeniny amin’izy ireo ny Tavany amin’izany andro izany, araka ny haratsiana nanaovany ny asany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Amin’izany dia hitaraina amin’i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin’izany andro izany Izy Araka ny faharatsian’ny nataon’ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Amin'izany dia hitaraina amin'i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin'izany andro izany Izy Araka ny faharatsian'ny nataon'ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Rehefa mitaraina amin’NY TOMPO ireo dia tsy hihaino azy Izy; hanafina ny tavany aminy Izy amin’izany andro izany, ho valin’ny ratsy nataony.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 3:4
26 Rohy Ifampitohizana  

Hihaino ny fitarainany ve Andriamanitra raha sendra zoim-pahoriana izy?


Eny, ilay Andriamanitra Tsitoha dia tsy mihaino ny fitarainam-poana sady tsy mba miraharaha izany.


Ataonao mandositra ahy ny fahavaloko ary aringako ireo mpankahala ahy.


amin’izay no hisy hiantso ahy fa tsy hovaliako ary koa hisy hitady ahy fa tsy hahita.


Izay manampin-tsofina tsy hihaino ny lalàna, na ny vavaka ataony aza dia maharikoriko ny Tompo.


Raha manandra-tanana hivavaka ianareo dia hitampi-maso tsy hijery Aho. Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino akory Aho, satria feno ra ny tananareo.


Lozan’ny ratsy fanahy kosa fa hiharam-pahavoazana izy, satria araka izay nataony ihany no zavatra hafitsoka aminy!


Koa izao no lazain’ny TOMPO: «Indro Aho hahatonga loza aminy ka tsy ho azony ialana. Raha miantso vonjy amiko izy, dia tsy hihaino azy Aho.


Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fangatahany Aho. Ary na manao sorona dorana manontolo sy fanatitra hanina aza izy, dia tsy sitrako fa haripako amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.


maminany lainga ny mpaminany, mitady ny tombontsoany ny mpisorona, ary ny vahoakako mankasitraka izany. Koa rehefa tonga ny farany, inona kosa no hataonareo?


Ary Izaho kosa dia hamely azy amin’ny fahatezerako; tsy ho antra fijery azy Aho ary tsy hamindrafo aminy. Ka na dia hikiakiaka hiantso vonjy amiko aza izy, dia tsy hohenoiko.»


Dia ho menatra ny mpaminany isehoam-pahitana, ary hangaihay ny mpanambara ny ho avy; hisarom-bava avokoa izy rehetra, satria tsy namaly azy intsony Andriamanitra.


Ary ho tonga lao ny tany sisa noho ny asa ratsy vitan’ireo mponina ao aminy.


ka nanao hoe: «Satria tsy nety nihaino izy rehefa mba nanao antso avo taminy Aho, dia tsy mba nihaino azy kosa Aho rehefa mba niantso vonjy tamiko izy.


Amin’izany andro izany, dia maro no hanao amiko hoe: «Tompo ô, Tompo ô, tsy efa nilaza hafatra tamin’ny anaranao ve izahay? tsy efa nandroaka demony tamin’ny anaranao ve izahay? tsy efa nanao asa mahagaga maro tamin’ny anaranao ve izahay?»


Rehefa nitsangana nanidy varavarana ny tompon-trano no ianareo mbola any alatrano, dia handondòm-baravarana ianareo hanao hoe: «Mba vohay izahay, tompoko ô!» Fa hovaliany hoe: «Tsy fantatro izay fiavianareo.»


Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay tia vavaka sy manao ny sitrapony no henoiny.


satria fitsarana tsy misy indrafo no hataon’Andriamanitra amin’izay tsy namindra fo; ny famindrampo kosa afa-mirehareha tsy matahotra ny fitsarana.


Hitaraina amin’ny TOMPO ianareo amin’izany fotoana izay noho ny mpanjaka izay nofidinareo, saingy tsy nihaino anareo Izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra