Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 3:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Eny, haninareo ny nofon’ny mpiray firenena amiko, endahanareo ny hodiny, vakivakînareo ny taolany, ary tetehanareo izy tahaka ny hena handrahoina am-bilany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 eny, ianareo izay homana ny nofon’ny oloko koa sady manendaka ny hodiny ary manapotipotika ny taolany; eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, dia toy ny hena ao anatin’ny fahandroan-kena.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Eny, haninareo ny nofon’ny mpiray firenena amiko, endahanareo ny hodiny, vakivakînareo ny taolany, ary tetehanareo izy tahaka ny hena handrahoina am-bilany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Izy ireo no mihinana ny nofon’ny vahoakako; manendaka ny hoditra eo amin’ny vatany, mamakivaky ny taolany, mamotipotika azy toy ny ao am-bilany, ary toy ny hena ao am-bilany lehibe.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Eny, hianareo izay homana ny nofon’ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao anatin’ny fahandroan-kena.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Eny, ianareo izay homana ny nofon'ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao anatin'ny fahandroan-kena.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 eny, ianareo izay homana ny nofon’ny oloko koa sady manendaka ny hodiny ary manapotipotika ny taolany; eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, dia toy ny hena ao anatin’ny fahandroan-kena.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 3:3
11 Rohy Ifampitohizana  

Hoy kosa ny TOMPO hoe: «Tena tsy mahalala mihitsy ny mpanao ratsy rehetra fa fitsentsefana ny vahoakako no ataony foto-pivelomana, sady Izaho tsy antsoiny akory!»


Raha manatona kosa ny olon-dratsy toy ny biby masiaka hamely ahy, dia ireo fahavalo mandrafy ahy ireo no ho lavo hitsikasina amin’ny tany.


Misy karazan’olona izay manana toetra lozabe fa toy ny sabatra ny nifiny ary toy ny antsy ny vazany. ka vonona izy hamongotra ny ory tsy ho amin’ny tany ary koa ny mahantra tsy ho eo anivon’ny olona.


Hampandaloviny fitsarana ireo loholona sy lehiben’ny vahoakany: «Ianareo no nanimba ny voaloboka; ary izay nalainareo tamin’ny mahantra no namenoanareo ny tranonareo.


Ahoana moa no ahazoanareo mampahory ny vahoakako sy manosihosy ny fahamendrehan’ny mahantra? Izany no teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.»


Lazainy hoe: ‹Tsy hanorenana trano intsony eto ao anatin’ny fotoana elaela! Fa ho toy ny vilany ity tanàna ity ary isika no ho hena tahirizina ao anatiny.›


Ary vongan-kena no arotsahy ao, dia ny vongany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; ary fenoy taolana voafantina izany.


Mihainoa izao ianareo te hitelina ny mahantra sy te hamongotra ny mpandefitra eto amin’ny tany,


fa hoy kosa ny TOMPO aminareo: «Nitsangan-ko fahavalon’ny vahoakako ianareo; ka ny lehilahy miverina avy any an’ady sy mandalo tsy manana ahiahy no endahanareo ny akanjobeny.


Toy ny liona mierona ireo lehibeny; toy ny amboadia mihaza hariva ny mpitsarany, ka tsy mitahiry remby ho tra-maraina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra