Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 3:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Kanefa dia ny tsara no halanareo ary ny ratsy no tianareo, ka endahanareo mbamin’ny hoditry ny olona sy ny nofony mandrakotra ny taolany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, izay manendaka ny hoditry ny olona sy ny nofony amin’ny taolany;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Kanefa dia ny tsara no halanareo ary ny ratsy no tianareo, ka endahanareo mbamin’ny hoditry ny olona sy ny nofony mandrakotra ny taolany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 dia ianareo izay mankahala ny tsara sy tia ny ratsy, manendaka ny hoditra amin’ny vatana, sy ny nofo amin’ny taolana?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Dia hianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, Izay manendaka ny hoditry ny olona Sy ny nofony amin’ny taolany,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, Izay manendaka ny hoditry ny olona Sy ny nofony amin'ny taolany,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, izay manendaka ny hoditry ny olona sy ny nofony amin’ny taolany;

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 3:2
32 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Ahaba tamin’i Elià: –Mbola hitanao ihany va aho, ry ilay fahavaloko? Ka novaliany hoe: –Eny, mbola hitako ihany ianao satria efa nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO;


Niainga hitsena azy i Jehò mpaminany zanakalahin’i Hananỳ, ka nanao taminy hoe: –Moa ny olon-dratsy ve no tokony hampiana ary izay mpankahala ny TOMPO va no tokony hotiavinao? Noho izany, dia tezitra aminao ny TOMPO.


tsy miraharaha izay lavin’Andriamanitra, fa manaja an’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO, tsy mivadika amin’ny fianianana vita na dia maningotra ny tenany aza izany;


Fa Izy rehetra no mania, ka samy tsy valahara avokoa; tsy mba misy manao ny tsara, na dia iray akory aza!


Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny olon-dratsy, fa izay mitandrina izany kosa miady aminy.


Ahoana moa no ahazoanareo mampahory ny vahoakako sy manosihosy ny fahamendrehan’ny mahantra? Izany no teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.»


Lozan’ireo olona milaza ny tsara hoe ratsy na milaza ny ratsy hoe tsara. Ny maizina lazainy ho mazava ary ny mazava lazainy ho maizina; ny mamy lazainy ho mangidy ary ny mangidy lazainy ho mamy.


Kanefa hovakiko bantsilana ny fihamboanao ho marina sy ny asanao; ka tsy hahasoa anao akory ireny.


Koa hoy Izaho Tompo ANDRIANANAHARY aminareo: toy ny vilany ity tanàna ity, ary ny hena dia ireo efa novonoinareo ho faty teo anivony. Ianareo kosa anefa dia horoahiko tao.


Lian-dra tahaka ny amboadia mamiravira haza ireo mpitondra ny vahoaka, ka mamono olona ho faty mba hangoronan-karena tsy an-drariny.


Ary vongan-kena no arotsahy ao, dia ny vongany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; ary fenoy taolana voafantina izany.


Nefa tsy mpiandry nikarakara ny andian’ondry ianareo, fa naka ny ronono ho sakafonareo sy ny volon’ondry hotafinareo sady namono ireo biby matavy.


Ianareo andriambavilanitr’i Samaria, izay mihamatavy tahaka ny ombivavin’i Basàna, henoy izao teniko izao: Manitsakitsaka ny madinika ianareo, sy mampahory ny mahantra, ary milaza amin’ny vadinareo hoe: «Mitondrà hosotrointsika!»


Ankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara, ary ampitoero ao amin’ny fitsarana indray ny rariny; Angamba ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao hamindra fo amin’izay sisa amin’ny taranak’i Jôsefa.


fa hoy kosa ny TOMPO aminareo: «Nitsangan-ko fahavalon’ny vahoakako ianareo; ka ny lehilahy miverina avy any an’ady sy mandalo tsy manana ahiahy no endahanareo ny akanjobeny.


Fa foana teo amin’ny tany ny olona tena mpivavaka; ary tsy misy olo-marina intsony eo amin’ny olombelona. Samy manotrika handatsa-dra avokoa izy rehetra; ary samy mihaza mpiray tampo amin’ny fandrika harato ny tsirairay.


Vonona hanao ratsy ny tanany; ny mpitondra sy ny mpitsara mitaky tsolotra; ary ny lehibe milaza izay zavatra iriny, ka miara-miteti-dratsy hahatanteraka azy,


Toy ny liona mierona ireo lehibeny; toy ny amboadia mihaza hariva ny mpitsarany, ka tsy mitahiry remby ho tra-maraina.


Hàlan’ny mpiray tanindrazana aminy kosa ilay andriandahy ka nandefasany iraka nanaraka azy hilaza hoe: «Tsy mila iny lehilahy iny ho mpanjaka izahay.»


Dia niantsoantso indray izy rehetra nanao hoe: –Tsy ilay io, fa i Barabasy! Kanefa jiolahy i Barabasy.


Tsy afa-mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no ankahalainy, satria mijoro ho vavolombelona manambara fa ratsy ny asany.


Mendrika ho faty ny olona manao ny asa toy ireny: didim-pitsarana navoakan’Andriamanitra izany, ary fantatr’izy ireo tsara. Nefa izy ireo dia mbola manao ihany, ary izay manao koa ankasitrahiny.


Aoka ny fitiavana tsy hisy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.


tsy hifaditra ovana, tsy hitsimbina fihavanana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, hisetrasetra, hankahala ny tsara,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra