Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Ezekiasa, dia niakatra hamely ny tanàna mimanda rehetra an’i Jodà, i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, ka nahafaka an’ireny.
Mika 1:8 - Baiboly Katolika Noho izany aho dia hitomany sy hidradradradra, handeha tsy mitafy sy miboridana; handefa finaonaonana toy ny amboadia, ary fitarainana toy ny ostritsa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako ka hahatonga ahy handeha tsy mikiraro sady mitanjaka; hikaonkaona toy ny amboadia aho ary hikiakiaka toy ny aotirisy. DIEM PROTESTANTA Hoy kosa i Mikà hoe: Noho izany, dia hitomany sy hidradradradra aho, ary handeha tsy mitafy sady tsy mikiraro. Hikonainaina toy ny amboadia aho ary hikiakiaka toy ny vorombe; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy kosa i Mikà hoe: Noho izany, dia hitomany sy hidradradradra aho, ary handeha tsy mitafy sady tsy mikiraro. Hikonainaina toy ny amboadia aho ary hikiakiaka toy ny vorombe; Baiboly Protestanta Malagasy Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona toy ny amboadia aho Ary hikiakiaka toy ny ostritsa. Malagasy Bible Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona toy ny amboadia aho Ary hikiakiaka toy ny ostritsa. La Bible en Malgache Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako ka hahatonga ahy handeha tsy mikiraro sady mitanjaka; hikaonkaona toy ny amboadia aho ary hikiakiaka toy ny aotirisy. |
Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Ezekiasa, dia niakatra hamely ny tanàna mimanda rehetra an’i Jodà, i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, ka nahafaka an’ireny.
Fa ny bibidia eny an’efitra no hanao ny lavany eo, ny vorondolo no hameno ny tranony; ny ostritsa no honina any, ary ny satira no hifalihavanja eo.
Ny amboadia no hierona ao an-dapany lao; ary ny alikadia ao an-trano firavoravoany. Efa antomotra ny fotoany, ary tsy hohalavaina ny androny.
Koa mitomany toy ny itomanian’i Jasera aho, momba ny voalobok’i Sabamà; mandrotsaka ranomaso aminareo aho ry Hesebona, ry Eleale, fa ny vokatrareo amam-pararanonareo, no nahatongavan’ny fanakoran’ny mpamia.
Izany no nahafeno tebiteby ny valahako; voan’ny fanaintainana aho, toy ny vehivavy miteraka. Miolanolana aho, mahare izany; tsiravina aho mahita izany;
Koa niteny aho nanao hoe: «Mihodìna tsy hijery ahy, aoka hitomany mafy aho! Aza maimay hampionona ahy, noho ny fandringanana ny zanaka vavin’ny vahoakako.»
Manàna vadi-po, ry kala mitsilamodamoka! mangovita, ry kala tsy manahy. Esory ny fitafianareo sarobidy, mialà akanjo, misikìna lasàka.
Ny kiboko re! ny kiboko re! mihatra amin’ny vololon’aiko ny fanaintainana! Mikorontana ny foko; tsy afa-mangina aho, fa renao, ry fanahiko, ny feon’anjomara, ny akoran’ady.
Iza no mba hampahita ahy, fialofan’ny mpandeha any an’efitra, handaozako ny fireneko, hihatahako amin’izy ireo, satria izy ireo mpijangajanga avokoa, fiangonan’olona mpivadika.
Ary i Jerosalema hataoko korontam-bato, sy fieren’amboadia; ny tanànan’i Jodà koa hataoko lao, tsy misy mponina.
Ianareo vehivavy, mihainoa ny tenin’i Iaveh, ary aoka horaisin’ny sofinareo ny tenin’ny vavany! Ampianaro hira fitomaniana anankiray ny zanaka vavinareo, ary samia mampianatra hira fisaonana anankiray ny namany avy.
Ry zanak’olona, midridridridria momba ny vahoaka ben’i Ejipta; ampidino izy, mbamin’ny zanaka vavin’ireo firenena malaza, ho any ambanin’ny tany, miaraka amin’izay midina any an-davaka.
Amin’izany andro izany, dia hanononan’ny olona ohabolana ianareo sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe: «Tanteraka tokoa izao, dia fongana mihitsy isika; amidiny ho anjaran’ny vahoakako! Ahoana no angalany izany amiko? Zarainy ho an’ny mpiodina ny sahantsika?»
Mba niala lamba ka naminany koa izy teo anatrehan’i Samoela, sy nipetraka tamin’ny tany, tsy nitafy, nandritra iny andro iny sy ny alina manontolo. Izany no anton’ny fitenin’ny olona hoe: «Mba isan’ny mpaminany koa ve i Saola?»