Matio 5:19 - Baiboly Katolika Koa amin’izany, izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary amin’izany na zovy na zovy no mamaha ny iray amin’ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona hanao toy izany dia hatao hoe kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. DIEM PROTESTANTA Koa na iza na iza handika ny anankiray amin’ny didy madinika indrindra sy hampianatra ny olona hanao toy izany, dia ho kely indrindra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; fa na iza na iza hanatanteraka ny didy sy hampianatra ny olona hanao toy izany, dia izy no ho lehibe ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa na iza na iza handika ny anankiray amin’ny didy madinika indrindra sy hampianatra ny olona hanao toy izany, dia ho kely indrindra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; fa na iza na iza hanatanteraka ny didy sy hampianatra ny olona hanao toy izany, dia izy no ho lehibe ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra! Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra. Malagasy Bible Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra. La Bible en Malgache Ary amin’izany na zovy na zovy no mamaha ny iray amin’ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona hanao toy izany dia hatao hoe kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. |
Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy, mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy.
Hoy i Jesoa taminy: Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana, ny Zanak’olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany; ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.
Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo; fa izay te ho lehibe aminareo kosa, no aoka ho mpanomponareo izy.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Fa ho lehibe eo imason’ny Tompo izy: tsy hisotro divay na zava-mahamamo izy, sady ho fenon’ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny;
Fa mila loza ianareo, ry Farisianina, satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa.
dia hoy Izy tamin’izy ireo: «Na iza na iza mandray itony zazakely itony amin’ny Anarako dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe.»
Ry Teôfily, efa voalazako tamin’ny boky voalohany ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa sy nampianariny,
Ary nahoana no tsy hanao ratsy isika hiavian’ny soa? Atomboky ny sasany anay izany, ary tondroiny ho mampianatra izany izahay; ho voaheloka marina anefa izy ireny.
Inona àry no holazaintsika: mbola hitoetra amin’ny fahotana ihany va isika, hitomboan’ny fahasoavana?
Ahoana àry: hanota va isika, satria tsy ao ambanin’ny Lalàna, fa ao ambanin’ny fahasoavana? Sanatria izany!
Aoka ho voaozona izay tsy mitana ny tenin’ity lalàna ity mba hanarahany azy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
Teny marina tokoa izany ka tiako hoanterinao tsara ny filaza azy, mba hikely aina amin’ny fanaovana asa soa izay mino an’Andriamanitra. Izany no tsara sy mahasoa ny olona.
ka rehefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
Manan-teny kely aminao anefa Aho, satria i Jezabela ilay vehivavy manao azy ho mpaminany, avelanao hampianatra sy hanangoly ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natolotra tamin’ny sampy.
Noho izany, izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Fa efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy i Iaveh. Fa izay manaja Ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira Ahy no hotsiratsiraiko koa.