Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Titosy 3:8 - Baiboly Katolika

8 Teny marina tokoa izany ka tiako hoanterinao tsara ny filaza azy, mba hikely aina amin’ny fanaovana asa soa izay mino an’Andriamanitra. Izany no tsara sy mahasoa ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Mahatoky ireo teny ireo, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, ho an’izay mino an’Andriamanitra ka mieritreritra hamirapiratra amin’ny asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Teny azo antoka izany! Tiako hoantitranterinao ireo zavatra ireo mba himasoan’ny mpino an’Andriamanitra hiezaka manao asa tsara; izany no tsara sady mahasoa ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Teny azo antoka izany! Tiako hoantitranterinao ireo zavatra ireo mba himasoan’ny mpino an’Andriamanitra hiezaka manao asa tsara; izany no tsara sady mahasoa ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman’izay efa mino an’Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman'izay efa mino an'Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Titosy 3:8
26 Rohy Ifampitohizana  

«Mety hanasoa an’Andriamanitra va ny olombelona? Manasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.


satria tsy nino an’Andriamanitra izy ireo, ary tsy natoky ny famonjeny.


Ny vavolombelona mandainga, ho faty; fa ny olona mihaino kosa manan-kalahatra mandrakariva.


ka andeha koa ianareo, hoy izy taminy, mankany amin’ny tanimboaloboko, fa homeko anareo izay antonony.


Ary niantso i Jesoa nanao hoe: «Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy;


Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mihaino ny teniko sy mino Izay naniraka Ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana Izy.


Dia hoy ireo taminy: «Very saina ianao.» Nefa nilaza marina dia marina izy fa izany tokoa; ka hoy izy ireo: «Anjeliny izany.»


ary amin’izay tsy miasa, fa mino an’Ilay manamarina ny ratsy fanahy, no tanana ho fahamarinana ho azy ny finoany, araka ny lahatry ny fahasoavan’Andriamanitra.


Noho izahay manana ilay Fanahin’ny finoana voasoratra hoe: Nino aho, ka niteny, dia mino koa izahay, ka miteny.


Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony, fa aleo miasa tanana, manao zavatra tsara, dia hanan-komena ny tsy manana aza.


Eny, teny marina tokoa, sy mendrika hitokiana indrindra izao: Tonga tetỳ an-tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany indrindra aminy;


Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.


tsara laza amin’ny asa soa: namelon-janaka, nampiantrano vahiny, nanasa tongotry ny olomasina, niantra ny ory, nazoto tamin’ny asa soa rehetra.


ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin’izany anefa aho, fa fantatro Izay ninoako, ary matoky aho fa Izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-piavin’izay andro izay.


mitana mafy ny teny marina nampianarina azy, mba hahaizany mamporisika araka ny fampianarana marina, sy handresy lahatra izay manohitra izany.


Izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.


ka ny tenanao no misehoa ho fakan-tahaka ny asa tsara rehetra amin’ny zavatra rehetra; aoka ny fampianaranao ho madio, maotona,


Ampahatsiarovy ny mpino fa adidin’izy ireo ny manaiky ny mpanapaka sy ny manam-pahefana, ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra,


Aoka ny havantsika iray finoana koa hianatra hanao asa soa mba ho afa-manampy rehefa misy mahaporitra, fandrao olona tsy misy vokany izy.


izay tsy nahasoa anao loatra fahiny, fa mahasoa antsika tokoa ankehitriny, dia ianao sy izaho.


Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa.


Tamin’ny alalany no nahazoanareo finoana an’Andriamanitra, Izay nanangana Azy avy any amin’ny maty, sy nanome voninahitra Azy, ka zary fanantenana an’Andriamanitra koa ny finoanareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra