Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 2:4 - Baiboly Katolika

ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe: «Aiza no hahaterahan’i Kristy?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia namory ny lehiben’ny mpisorona rehetra sy ny mpanoradalàna tamin’ny vahoaka izy ka nanontany azy ireo hoe: Aiza moa no hahaterahan’i Kristy?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Novorîny avokoa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna teo amin’ny vahoakany, ka nanontaniany hoe: –Aiza moa no tokony hahaterahan’ny Mesia?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Novorîny avokoa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna teo amin’ny vahoakany, ka nanontaniany hoe: –Aiza moa no tokony hahaterahan’ny Mesia?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia namory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy ka nanontany azy hoe: Aiza moa no hahaterahan’i Kristy?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia namory ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin'ny vahoaka izy ka nanontany ary hoe: Aiza mba no hahaterahan'i Kristy?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia namory ny lehiben’ny mpisorona rehetra sy ny mpanoradalàna* tamin’ny vahoaka izy ka nanontany azy ireo hoe: Aiza moa no hahaterahan’i Kristy*?

Jereo ny toko



Matio 2:4
30 Rohy Ifampitohizana  

Izy koa no nitandrina ny mpitondra entana, sy nitarika ny mpiasa rehetra amin’ny taozavatra isan-karazany. Nisy Levita sasany koa, mpanoratra, mpikarakara sy mpiandry varavarana.


Ka hoy i Helkiasa niteny tamin’i Safàna mpanoratra: «Hitako tao an-tranon’i Iaveh ny bokin’ny lalàna», ary natolotr’i Helkiasa an’i Safàna ny boky.


Ny lehiben’ny mpisorona rehetra mbamin’ny vahoaka koa nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan’ny firenena, sy nandoto ny tranon’i Iaveh, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema.


Dia nitsangana i Esdrasa, nampianiana ny lohan’ny mpisorona sy ny Levita mbamin’i Israely rehetra hanatanteraka izany voalaza teo izany, ka dia nianiana izy ireo.


niakatra avy any Babilôna io Esdrasa io. Ary satria nomba azy ny tanan’i Iaveh Andriamaniny, dia nomen’ny mpanjaka azy avokoa izay rehetra nangatahiny.


i Seloma, i Amôka, i Helkiasa, i Adaiasa. Ireo no lehiben’ny mpisorona mbamin’ireo rahalahiny, tamin’ny andron’i Josoe.


Ireo mpanjakan’ny tany mitsimbohitra, ary ny andriana koa miara-mioko, hanohitra an’i Iaveh sy ny Voahosony:


Ahoana no ahalazanareo hoe Hendry izahay, ary mby ato aminay ny lalàn’i Iaveh? Indro fa ny fandaharan-dainga nataon’ny mpampiana-dalàna mahatonga izany ho lainga!


Fa ny molotry ny mpisorona no mpitahiry ny fahalalana, ary ny vavany no angatahana ny fampianarana, satria izy no Anjelin’i Iavehn’ny tafika.


Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: «Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny.»


Raha nahare izany i Herôda mpanjaka, dia taitra izy mbamin’i Jerosalema rehetra,


Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany:


Fa tezitra ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, nony nahita ny fahagagana nataony sy ireto ankizy madinika nihoraka tao an-Tempoly nanao hoe: «Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida,»


Ary rehefa tafiditra tao amin’ny Tempoly Izy ka nampianatra teo, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: «Fahefana avy aiza no anaovanao izao? ary iza no nahazoanao izany fahefana izany?»


Tamin’izay dia nivory tao an-tranon’ny lehiben’ny mpisorona atao hoe Kaifa ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona.


Raha mbola niteny izany Izy, dia indro tamy i Jodasy isan’ny roa ambin’ny folo lahy, arahin’ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona.


Ary nony maraina ny andro dia niara-nihevitra izay hahafaty an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona rehetra sy ny loholona;


satria nampianatra toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy sy ny Farisianina.


Tamin’izay nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana,


Dia notadiavin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna hosamborina teo no ho eo ihany Izy, satria fantany fa izy ireo ihany no nanaovan’i Jesoa izany fanoharana izany; saingy ny tahony ny vahoaka no nampiato azy indray.


Eo izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna efa nikiribiby erỳ miampanga Azy.


Ka nony voarainy ny antoko-miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina, dia nankao izy nitondra fanala sy fanilo, ary fiadiana.


Ary hoy i Jesoa taminy: Mpampianatra amin’i Israely ianao ka tsy mahalala izany va?


Ren’ny Farisianina ny vahoaka nitakoritsika toy izany ny aminy, ka naniraka miaramila hisambotra Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny Farisianina.


Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina, ka narosony teo afovoany.


ka tabataba nankarenina no niseho. Ary nisy mpanora-dalàna sasany tamin’ny antokon’ny Farisianina nitsangana ka nanohitra hoe: «Tsy hitanay izay azo anomezan-tsiny an’io lehilahy io, fa angamba fanahy na Anjely anankiray no niteny taminy.»


Nony ampitso, dia nivory tao Jerosalema ny mpifehy, ny loholona, ny mpanora-dalàna,


Nomeny fo koa ny vahoaka sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna, ka niantoraka tamin’i Etienina sy nisambotra azy, ary nitondra azy tany amin’ny Sanedrìna.