Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 34:15 - Baiboly Katolika

15 Ka hoy i Helkiasa niteny tamin’i Safàna mpanoratra: «Hitako tao an-tranon’i Iaveh ny bokin’ny lalàna», ary natolotr’i Helkiasa an’i Safàna ny boky.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Dia niteny tamin’i Safana mpitantsoratra i Hilkia hoe: Ny bokin’ny lalàna dia hitako tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia natolotr’i Hilkia an’i Safana ny boky.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 I Safàna mpanoratra no nitenenan’i Hilkià ka nilazany fa ny Bokin’ny Lalàna dia hitany tao an-tranon’ny TOMPO. Dia natolotr’i Hilkià an’i Safàna ny boky;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 I Safàna mpanoratra no nitenenan’i Hilkià ka nilazany fa ny Bokin’ny Lalàna dia hitany tao an-tranon’ny TOMPO. Dia natolotr’i Hilkià an’i Safàna ny boky;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary niteny Hilkia ka nanao tamin’i Safana mpanoratra hoe: Ny bokin’ny lalàna dia hitako tao an-tranon’i Jehovah. Dia natolotr’i Hilkia an’i Safana ny boky.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary niteny Hilkia ka nanao tamin'i Safana mpanoratra hoe: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Dia niteny tamin’i Safana mpitantsoratra i Hilkia hoe: Ny bokin’ny lalàna dia hitako tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia natolotr’i Hilkia an’i Safana ny boky.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 34:15
8 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay i Helkiasa mpisorona lehibe nilaza tamin’i Safàna mpanoratra hoe: «Hitako tao an-tranon’i Iaveh ny bokin’ny lalàna.» Ary natolotr’i Helkiasa an’i Safàna ny boky ka novakiny.


Tamin’ny fotoana namoahana ny vola voaatitra tao an-tranon’i Iaveh, dia hitan’i Helkiasa mpisorona, ny bokin’ny lalàn’i Iaveh nomena tamin’ny alalan’i Môizy.


Dia nentin’i Safàna tany amin’ny mpanjaka, ka nilaza taminy koa izy, nanao hoe: «Efa nataon’ny mpanomponao avokoa izay rehetra nasaina nataony;


dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema, ny mpisorona, ny Levita, ny vahoaka rehetra, hatramin’ny lehibe indrindra sy ny kely indrindra, ary novakina teo anatrehan’izy rehetra, ny teny ao amin’ny bokin’ny fanekena, hita tao an-tranon’i Iaveh.


Tatỳ aorian’ireo zava-niseho ireo, tamin’ny andro nanjakan’i Artakserksesa mpanjakan’i Persa kosa indray, i Esdrasa zanak’i Saraisa zanak’i Helkiasa


Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka amin’ny tanànany avy ny zanak’i Israely, dia nivory toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra, teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano. Ary efa nilazan’izy ireo i Esdrasa mpanora-dalàna, mba hitondra ny bokin’ny lalàn’i Môizy, izay nandidian’i Iaveh an’i Israely.


ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe: «Aiza no hahaterahan’i Kristy?»


Raha vao tafapetraka amin’ny sezam-panjakany izy, dia aoka hosoratany amin’ny boky anankiray ho azy ny dikan’izao lalàna izao, ka hataony mifanaraka amin’ilay ao amin’ny Levita mpisorona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra