2Tantara 34:14 - Baiboly Katolika14 Tamin’ny fotoana namoahana ny vola voaatitra tao an-tranon’i Iaveh, dia hitan’i Helkiasa mpisorona, ny bokin’ny lalàn’i Iaveh nomena tamin’ny alalan’i Môizy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201114 Rehefa navoaka ny vola izay nampidirina tao amin’ny tranon’NY TOMPO, i Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin’ny lalànan’NY TOMPO, ilay nampilazaina an’i Mosesy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA14 Tamin’iny famoahana ny vola naterina tao an-tranon’ny TOMPO iny, no hitan’i Hilkià mpisorona ny Bokin’ny Lalànan’ny TOMPO, izay nampitaina tamin’ny alalan’i Mosesy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara14 Tamin’iny famoahana ny vola naterina tao an-tranon’ny TOMPO iny, no hitan’i Hilkià mpisorona ny Bokin’ny Lalànan’ny TOMPO, izay nampitaina tamin’ny alalan’i Mosesy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy14 Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon’i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin’ny lalàn’i Jehovah, ilay nampilazaina an’i Mosesy. Jereo ny tokoMalagasy Bible14 Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon'i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin'ny lalàn'i Jehovah, ilay nampilazaina an'i Mosesy. Jereo ny toko |