Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 7:6 - Baiboly Katolika

6 niakatra avy any Babilôna io Esdrasa io. Ary satria nomba azy ny tanan’i Iaveh Andriamaniny, dia nomen’ny mpanjaka azy avokoa izay rehetra nangatahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Io Ezra io dia niakatra avy tany Babilona; mpanoradalàna izy sady nahay ny lalànan’i Mosesy izay nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely; nomen’ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban’ny tanan’NY TOMPO Andriamaniny azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 Niakatra avy tany Babilôna i Hezrà; mpahay lalàna izy, ka fatra-pahalala tokoa ny lalàna izay nampitain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’i Mosesy. Nomen’ny amperôra an’i Hezrà avokoa izay rehetra nangatahiny, noho izy nombàn’ny herin’Ilay TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Niakatra avy tany Babilôna i Hezrà; mpahay lalàna izy, ka fatra-pahalala tokoa ny lalàna izay nampitain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’i Mosesy. Nomen’ny amperôra an’i Hezrà avokoa izay rehetra nangatahiny, noho izy nombàn’ny herin’Ilay TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn’i Mosesy, izay efa nomen’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen’ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban’ny tànan’i Jehovah Andriamaniny azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn'i Mosesy, izay efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen'ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban'ny tànan'i Jehovah Andriamaniny azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Io Ezra io dia niakatra avy tany Babilona; mpanoradalàna izy sady nahay ny lalànan’i Mosesy izay nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely; nomen’ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban’ny tanan’NY TOMPO Andriamaniny azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 7:6
40 Rohy Ifampitohizana  

ka hoy izy: «Tsy hatao hoe Jakôba intsony ny anaranao; fa hatao hoe Israely; satria efa niady tamin’Andriamanitra sy tamin’olombelona ianao ka nahery.»


Nitsinjo an’ireo loholon’ny Jody anefa ny mason’ny Andriamanitr’izy ireo, ka tsy nasainy hitsahatra amin’ny asany izy, mandra-pahatongan’ny filazana ny raharaha tany amin’i Dariosa sy niverenan’ny taratasy momba izany.


Tamin-kafaliana no nanaovan’izy ireo ny fetin’ny Azima mandritra ny hafitoana; fa nampifalin’i Iaveh izy, tamin’ny nitarihany ny fon’ny mpanjakan’i Asiria hanampy azy ireo sy hanohana ny tanany amin’ny asa momba ny tranon’Andriamanitra, dia ny Andriamanitr’i Israely.


Izaho Artakserksesa mpanjaka manome didy ho an’ireo mpitahiry vola rehetra any an-dafin’ny ony, mba hanatanteraka tsy misy tomika izay rehetra hilain’i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mahay ny lalàn’ny Andriamanitry ny lanitra, aminareo,


sy nampahita fitia ahy teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny manam-pahefana ambony rehetra ao amin’ny mpanjaka. Koa nahazo hery aho fa nomba ahy ny tanan’i Iaveh Andriamanitro, ka nanangona ny loholona amin’i Israely hiara-miainga amiko.»


zanak’i Finea zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona lehibe;


Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany izy no niainga hiakatra niala tany Babilôna ary tamin’ny andro voalohan’ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema, nomban’ny tanan’ny Andriamaniny manisy soa.


Izao no loham-pianakaviana sy filazana ny firazanany, dia ireo niara-niakatra tamiko avy any Babilôna, tamin’ny andro nanjakan’i Artakserksesa mpanjaka.


Ary satria nomba anay ny tanana manambin’ny Andriamanitray, dia nentin’izy ireo nankatỳ aminay, ity lehilahy manan-tsaina anankiray avy amin’ny taranak’i Moholỳ zanak’i Levỳ zanak’i Israely, dia i Sarabiasa mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny 18 lahy;


Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila manatitra ama-mpitaingin-tsoavaly, tamin’ny mpanjaka, hiaro anay amin’ny fahavalo eny an-dalana, noho izahay efa niteny tamin’ny mpanjaka nanao hoe: «Momba an’izay rehetra mitady azy ny tanan’Andriamanitra, hahasoa azy ireo, fa mahatratra an’izay rehetra mahafoy Azy kosa ny heriny sy ny fahatezerany.»


Niala teo amin’ny ony Ahavà, tamin’ny andro faha-12n’ny volana voalohany izahay, ho any Jerosalema. Nomba anay ny tanan’ny Andriamanitray, ka namonjy anay tamin’ny tanan’ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.


Ireo izy no tamin’ny andron’i Jôakima, zanak’i Josedeka sy i Nehemia governora, ary i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna.


Tao amin’ny vavahadin’ny Loharano izy ireo, dia niakatra ny ambaratongan’ny tanànan’i Davida, teo an-tandrifiny, nihazo ny fiakarana amin’ny manda, eo ambonin’ny manda, eo ambonin’ny tranon’i Davida hatreo amin’ny vavahadin’ny Rano, eo atsinanana.


nifoha tamin’ny alina aho, nomban’olona vitsivitsy. Tsy nilaza tamin’olona izay natoron’Andriamanitra tao am-poko hatao ho an’i Jerosalema aho. Tsy nitondra biby manompo aho afa-tsy ilay nitaingenako ihany.


Dia notantaraiko tamin’izy ireo ny nomban’ny tanana manambin’Andriamanitra ahy, mbamin’ny teny nolazain’ny mpanjaka tamiko, ka hoy izy ireo namaly: «Mitsangàna ary isika, hanorina.» Dia rafitra nanao izany asa izany tamin-kerim-po tokoa izy ireo.


ary taratasy anankiray koa ho an’i Asafa mpitandrina ny alan’ny mpanjaka, mba hanomezany hazo ahy, hanaovako sakamandimby hatao amin’ny varavaran’ny trano mimanda manolotra ny tempoly sy hatao amin’ny mandan’ny tanàna, mbamin’ny trano hihatahako.» Dia nomen’ny mpanjaka ahy izany, fa momba ahy ny tanana manambin’ny Andriamanitro.


Dia nanao ny asa izahay; ny antsasany taminay nitan-defona hatramin’ny mazava atsinanana ka mandra-piposaky ny kintana.


Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka amin’ny tanànany avy ny zanak’i Israely, dia nivory toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra, teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano. Ary efa nilazan’izy ireo i Esdrasa mpanora-dalàna, mba hitondra ny bokin’ny lalàn’i Môizy, izay nandidian’i Iaveh an’i Israely.


Ny andro faharoa dia nivory teo amin’i Esdrasa mpanora-dalàna, ny loham-pianakavian’ny vahoaka rehetra, mbamin’ny mpisorona sy ny Levita, mba handavorary kokoa ny fianarany ny tenin’ny lalàna.


Teo ambony lampihazo vao narafitra hanaovana izany, no nitsangana i Esdrasa mpanora-dalàna, ary ireto no teo anilany: ao ankavanany, i Matatiasa, i Semeiàsa, i Aniasa, i Oria, i Helkiasa, i Maasiasa; teo ankaviany, i Fadaiasa, i Mesaela, i Melkiasa, i Hasoma, i Hasbadanà, i Zakaria, i Mosolama.


Ary i Nehemia, governora, i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mbamin’ny Levita, nampianatra ny vahoaka, niteny tamin’ny vahoaka rehetra, nanao hoe: «Andro masina ho an’i Iaveh Andriamanitrareo ity ka aza asiana fisaonana na ranomaso.» Fa nitomany avokoa ny vahoaka nony nandre ny tenin’ny lalàna.


Nidina tany an-tendrombohitra Sinaia Ianao, ka niteny tamin’izy ireo, avy any ambonin’ny lanitra, ary nanome azy fitsipika mahitsy, lalàm-pahamarinana, lalàna aman-didy lavorary.


Aoka ho fantany fa ny tananao, dia Ianao Iaveh, no nanao izany.


Izy no nanambara ny teniny tamin’i Jakôba, sy ny didiny amam-pitsipiny tamin’i Israely.


Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny lisy. Nataon’ny taranak’i Kôre. Hiram-pitiavana.


Aoka ny tananao ho amin’ny olon’ny tananao ankavanana, amin’ny zanaky ny olona nofidinao ho Anao.


Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.


Tonga Aho: nahoana no tsy nisy olona? Niantso Aho: nahoana no tsy nisy namaly? Moa fohy tanana va Aho, ka tsy afa-namonjy? Sa tsy ampy hery hoenti-manafaka? Vao rahonako fotsiny dia maina ny ranomasina, zary efitra ny ony, maimbo ny hazandranony, fa ritra ny rano, ka matin’ny hetaheta ireny.


Indro fa tsy ny tanan’i Iaveh no fohy ka tsy mahavonjy, tsy ny sofiny no lalodalovana ka hoe tsy hahare;


Ahoana no ahalazanareo hoe Hendry izahay, ary mby ato aminay ny lalàn’i Iaveh? Indro fa ny fandaharan-dainga nataon’ny mpampiana-dalàna mahatonga izany ho lainga!


Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: «Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny.»


nanao hoe: «Efa mipetraka eo amin’ny fipetrahan’i Môizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;


ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»


Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitr’izao tontolo izao? Tsy nahariharin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao?


Ampahatsiaroviko anareo, ry kristianina havana, ny Evanjely notoriko taminareo, izay noraisinareo, sy niorenanareo,


Raha manaiky tsara ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka manaraka sy mitandrina ny didiny rehetra andidiako anao anio, i Iaveh Andriamanitrao hanandratra anao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany.


Efa notoroako didy amam-pitsipika ianareo araka ny nandidian’i Iaveh ahy hitandremanareo izany any amin’ny tany hidiranareo hanananareo azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra