Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 2:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Novorîny avokoa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna teo amin’ny vahoakany, ka nanontaniany hoe: –Aiza moa no tokony hahaterahan’ny Mesia?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Dia namory ny lehiben’ny mpisorona rehetra sy ny mpanoradalàna tamin’ny vahoaka izy ka nanontany azy ireo hoe: Aiza moa no hahaterahan’i Kristy?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Novorîny avokoa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna teo amin’ny vahoakany, ka nanontaniany hoe: –Aiza moa no tokony hahaterahan’ny Mesia?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe: «Aiza no hahaterahan’i Kristy?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Dia namory ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy ka nanontany azy hoe: Aiza moa no hahaterahan’i Kristy?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Dia namory ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin'ny vahoaka izy ka nanontany ary hoe: Aiza mba no hahaterahan'i Kristy?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Dia namory ny lehiben’ny mpisorona rehetra sy ny mpanoradalàna* tamin’ny vahoaka izy ka nanontany azy ireo hoe: Aiza moa no hahaterahan’i Kristy*?

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 2:4
30 Rohy Ifampitohizana  

ka natao tonian’ny mpitondra entana sy mpibaiko ny mpiasa rehetra araka ny anton-draharahany avy; ary tamin’ny levita koa dia nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.


I Safàna mpanoratra no nitenenan’i Hilkià ka nilazany fa ny Bokin’ny Lalàna dia hitany tao an-tranon’ny TOMPO. Dia natolotr’i Hilkià an’i Safàna ny boky;


Ny lohandoha-mpisorona sy ny loholom-bahoaka rehetra koa dia naniratsira an’Andriamanitra araka ny fanompoan-tsampy maharikoriko fanaon’ny hafa firenena, ka nandoto ny tempoly izay efa natokan’ny TOMPO ho Azy tao Jerosalema.


Dia nitsangana i Hezrà ka nampianiana ny lohandohan’ireo mpisorona levita sy ireo filohan’ny Israelita hanao araka izany tolokevitr’i Sekanià izany; ary dia nianiana ireo.


Niakatra avy tany Babilôna i Hezrà; mpahay lalàna izy, ka fatra-pahalala tokoa ny lalàna izay nampitain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’i Mosesy. Nomen’ny amperôra an’i Hezrà avokoa izay rehetra nangatahiny, noho izy nombàn’ny herin’Ilay TOMPO Andriamaniny.


i Salo sy i Hamôka ary i Hilkià sy i Jedahià. Tamin’ny andron’i Jesoa dia ireo no lohandoha-mpisorona sy mpiombom-panompoana aminy.


ireo mpanjakan’ny tany miomana hiady; ireo andriana miara-mioko hanohitra ny TOMPO sy ilay Mesiany.


Ianareo mihambo hoe: «Hendry izahay, sady ato aminay ny lalànan’ny TOMPO.» Ahoana no ahazoanareo mihambo toy izany, raha ireo mpanora-dalàna aza manao fanoratana diso ka mahatonga azy hivoana?


Fa andraikitry ny mpisorona ny mampianatra ny olona hahalala Ahy Andriamanitra TOMPOn’izao rehetra izao; ny mpisorona no anontaniana ny fitsipika tokony hampiharina, satria mpitondrateniko izy.


Dia hoy indray i Jesoa taminy: –Koa amin’izany àry, ny mpahay lalàna rehetra izay nanjary mpianatra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny tompon-drakitra izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny tahirin-drakiny.


Vao nandre izany i Herôda mpanjaka, dia nihorohoro izy mbamin’i Jerosalema iray vohitra.


Dia hoy ireo taminy: –Ao Betlehema, tanàna any Jodea, fa izao no voalazan’ny Soratra Masina tamin’ny alalan’ny mpaminany:


Fa tezitra mafy kosa ireo lohandoha-mpisorona sy ireo mpahay lalàna nony nahita ny zava-mahagaga nataony sy nahita ny ankizy madinika niantsoantso tao an-kianjan’ny tempoly hoe: «Dera anie ho an’ny Zanak’i Davida!»


Nony tafiditra tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia nampianatra. Ary nanatona Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny loholon’ny vahoaka jiosy ka nanontany Azy hoe: –Fahefana ahoana moa no anaovanao an’izao? Ary iza no nanome anao izany fahefana izany?


Tamin’izay ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon’ny vahoaka jiosy dia nivory tao amin’ny lapan’ny mpisorombe atao hoe Kaiafa.


Raha mbola niteny i Jesoa, dia indro tonga i Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy; ary olona maro nirongo sabatra sy kibay, irak’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon’ny vahoaka jiosy, no tafaraka taminy.


Nony maraina ny andro, dia nikaon-doha avokoa ny lohandoha-mpisorona sy ny loholon’ny vahoaka jiosy hamelezana an’i Jesoa, mba hampanamelohana Azy ho faty.


nampianatra azy tamim-pahefana manko i Jesoa fa tsy mba tahaka ireo mpahay lalàna jiosy.


Dia nanomboka nilaza tamin’ny mpianatra i Jesoa hoe: –Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, ka holavin’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna, dia hovonoina ho faty; nefa andro fahatelo aorian’izany, dia hitsangana velona.


Nitady hisambotra an’i Jesoa tamin’izay ireo mpahay lalàna sy lohandoha-mpisorona, satria nahatsiaro tena ho niantefan’iny fanoharana nataony iny. Saingy natahotra ny vahoaka ry zareo.


Eo izany ireo lohandoha-mpisorona sy ireo mpahay lalàna tsy sasatra miampanga Azy.


Ka nony voarain’i Jodasy ny antoko miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina, dia nankeo amin’ilay toerana izy iray tarika nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.


Ka izao no navalin’i Jesoa azy: –Mpampianatra eto amin’i Israely ianao, ka tsy mahalala izany ve?


Ren’ny Farisianina ny vahoaka mitakoritsika ny amin’i Jesoa toy izany; ka naniraka mpiandry raharaha hisambotra Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina.


Nisy kosa vehivavy anankiray, azo nanitsakitsa-bady. Nentin’ny mpahay lalàna sy ny Farisianina ravehivavy, ka narosony teo anoloan’ny olona;


Vao mainka nihamafy ny antsoantso; ary ny mpahay lalàna sasany, anisan’ny antoko Farisianina, dia tafatsangana ka nanohitra mafy nanao hoe: –Tsy ahitanay zava-dratsy mihitsy amin’io lehilahy io. Angamba nisy fanahy na anjely niteny taminy.


Nony ampitson’iny vao nifamory tao Jerosalema ny manampahefana jiosy: dia ny loholona sy ny mpahay lalàna


Nomeny fo koa ny vahoaka sy ny loholona ary ny mpahay lalàna. Dia nirohotan’ireo mpanohitra azy i Stefàna, ka nosamboriny ary nentiny ho any amin’ny Fitsarana ambony


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra