Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 2:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Dia hoy ireo taminy: –Ao Betlehema, tanàna any Jodea, fa izao no voalazan’ny Soratra Masina tamin’ny alalan’ny mpaminany:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia hoy ireo taminy: –Ao Betlehema, tanàna any Jodea, fa izao no voalazan’ny Soratra Masina tamin’ny alalan’ny mpaminany:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an’i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an'i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Dia hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 2:5
11 Rohy Ifampitohizana  

Maty i Rahely ka nalevina teo amoron-dàlana mankany Efratà, izay atao hoe Betlehema ankehitriny.


Rehefa teraka tao Betlehema tanànan’i Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema,


Novorîny avokoa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna teo amin’ny vahoakany, ka nanontaniany hoe: –Aiza moa no tokony hahaterahan’ny Mesia?


Tsy efa voalazan’ny Soratra Masina ve fa avy amin’ny taranak’i Davida sady avy ao Betlehema tanàna nonenan’i Davida no iavian’ny Mesia?


Ny velaran-tanin’i Zebolòna dia nisy tanàn-dehibe 12 samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy; ka anisan’ireo tanàna 12 ireo i Katata, i Nahalala, i Simrôna, i Jidalà, ary i Betlehema.


Nisy zatovo levita anankiray nivahiny tao Betlehema any Joda, tanàna anisan’ny fokon’i Joda.


Tamin’ny andro nitondran’ny Mpitsara tao Israely, dia nisy mosary tao amin’ny tany. Koa nisy lehilahy iray avy ao amin’ny Betleheman’i Joda nandeha nifindra monina tany amin’ny faritr’i Môaba niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.


Dia nandeha niaraka izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Rehefa tonga tao Betlehema izy ireo, dia taitra taminy avokoa ny tao an-tanàna rehetra, ka hoy ireo vehivavy hoe: «I Nahômỳ tokoa ve ity?»


Taoriana kely dia indro tonga i Bôhaza avy tany Betlehema, ka niarahaba ny mpijinja hoe: –Hiaraka aminareo anie ny TOMPO! Dia novalian’ireo hoe: –Hotahin’ny TOMPO anie ianao!


Dia hoy ireo vahoaka rehetra izay teo am-bavahady sy loholona hoe: –Eny, vavolombelona manatri-maso izahay. Hotahin’ny TOMPO anie ity vehivavy izay hankao an-tranonao, ka ho tahaka an-dRahely sy i Lea fa izy roa vavy no niavian’ny vahoaka Israely; hataony manan-karena eo amin’ny Efratîta anie ianao, ary halaza eran’i Betlehema anie ny anaranao!


Hoy ny TOMPO tamin’i Samoela: –Mandra-pahoviana ihany no halahelovanao an’i Saoly, nefa na Izaho aza efa nandà azy tsy ho mpanjakan’i Israely intsony? Raiso ny diloilonao, dia mandehana; fa irahiko ho any amin’i Jisay any Betlehema ianao, satria efa nifidy anankiray tamin’ny zanany aho mba ho mpanjaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra