Dia nitso-drano an’i Abrama izy nanao hoe: «Hanisy soa an’i Abrama anie Andriamanitra avo indrindra Izay nahary ny lanitra sy ny tany.
Matio 11:25 - Baiboly Katolika Tamin’izany andro izany, dia hoy indray i Jesoa: Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany andro izany koa Jesosy niteny hoe: Midera Anao Aho, Ray ô! Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany nefa nasehonao tamin’ny zaza madinika. DIEM PROTESTANTA Tamin’izay fotoana izay dia niteny i Jesoa nanao hoe: –Ray ô, Tompon’ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin’ny madinika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay fotoana izay dia niteny i Jesoa nanao hoe: –Ray ô, Tompon’ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin’ny madinika. Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika. Malagasy Bible Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika. La Bible en Malgache Tamin’izany andro izany koa Jesosy niteny hoe: Midera Anao Aho, Ray ô! Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany nefa nasehonao tamin’ny zaza madinika. |
Dia nitso-drano an’i Abrama izy nanao hoe: «Hanisy soa an’i Abrama anie Andriamanitra avo indrindra Izay nahary ny lanitra sy ny tany.
Fa hoy i Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sôdôma: «Izaho efa nanangan-tanana tamin’i Iaveh Andriamanitra avo indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
Nivavaka teo anatrehan’i Iaveh i Ezekiasa nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, izay mipetraka amin’ny Kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Ianao no derainay, ary ny Anaranao be voninahitra no ankalazainay.
Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny Anaranao, amin’ny tany rehetra! Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!
Izao no lazain’i Iaveh: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho Ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra.
ka dia niteny taminy hoe: «Renao va izay lazain’ireo?» «Eny, hoy i Jesoa, moa mbola tsy novakinareo va ny hoe: Avy amin’ny vavan’ny ankizy sy ny zaza minono no hahazoanao dera?»
nanao hoe: «Raiko ô! raha sitrakao, halaviro Ahy ity kapoaka ity; ny sitraponao anefa no aoka ho tanteraka, fa tsy ny Ahy.»
Dia hoy i Jesoa: «Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.» Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany.
Dia noesoriny ny vato, ka niandrandra i Jesoa sy nanao hoe: «Misaotra Anao Aho, Raiko, satria efa nihaino Ahy Ianao.
Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity. Nefa izao indrindra no nahatongavako ho amin’izao ora izao.
Ny Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra ao aminy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba ny tempoly nataon’ny tanan’ny olona fotsiny no itoerany.
Tamintsika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny; satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza.
Fa toa nihajamba ny sain’izy ireo, satria mandraka ankehitriny dia tsy nesorina taminy, fa mbola ao ihany, izany saron-tava izany raha mamaky ny tenin’ny fanekena taloha izy, fa ao amin’i Kristy ihany moa no anesorana izany.
Nanao ny fanompoana teo anatrehan’i Iaveh i Samoela, ary efôda rongony no natafiny ny zaza.