Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 16:17 - Baiboly Katolika

17 Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Dia hoy indray Jesosy taminy: Sambatra ianao, ry Simona, zanak’i Jona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany fa ny Raiko izay any an-danitra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 Ary niteny tamin’i Petera i Jesoa nanao hoe: –Sambatra ianao, ry Simôna zanakalahin’i Jônà, satria tsy olombelona nofo aman-dra no nanambara izany taminao fa ny Raiko Izay any an-danitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ary niteny tamin’i Petera i Jesoa nanao hoe: –Sambatra ianao, ry Simôna zanakalahin’i Jônà, satria tsy olombelona nofo aman-dra no nanambara izany taminao fa ny Raiko Izay any an-danitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Dia hoy indray Jesosy taminy: Sambatra ianao, ry Simona, zanak’i Jona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany fa ny Raiko izay any an-danitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 16:17
25 Rohy Ifampitohizana  

Ho mpianatr’i Iaveh avokoa ny zanakao rehetra, ary ho be fiadanana ny zanakao.


fa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho lavo ny finoanao, ary rehefa mibebaka ianao dia hamafiso ny rahalahinao.»


Dia nentiny nankany amin’i Jesoa izy, ka nony nijery azy i Jesoa dia nanao hoe: «Ianao no Simôna zanak’i Joany; hatao hoe Sefasy ianao, izany hoe, Piera vato»


Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: ‹Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra.› Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy.


Fa izao indrindra no dia lazaiko, ry kristianina havana; tsy mahazo mandova ny fanjakan’Andriamanitra ny nofo aman-dra, ary tsy handova ny tsy fahalòvana ny fahalòvana.


ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentily, niaraka tamin’izay, dia tsy naka hevitra tamin’ny nofo aman-dra aho,


Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra,


izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka tany aloha, toy ny nanambaràna azy ankehitriny tamin’ny Apôstôly masina sy ny mpaminany ao amin’ny Fanahy,


Fa tsy amin’ny nofo aman-dra no iadiantsika, fa amin’ny fanapahana, amin’ny fahefana, amin’ny andrian’izao tontolo maizina izao, amin’ny fanahy ratsy eny ambony eny.


Koa satria mana-nofo aman-dra ny zaza, dia mba naka izany koa Izy, handringanany amin’ny fahafatesany ilay manana ny fanjakan’ny fahafatesana, dia ny devoly,


Mihanta amin’ny Pretra eo aminareo aho, dia izaho izay Pretra toa azy koa, sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy, ary mpiombona amin’ny voninahitra izay haseho koa:


Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra.


Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra