Fa tsy ho foinao ho any amin’ny Seoly ny fanahiko; tsy havelanao hahita ny fahalòvana ilay tia Anao.
Marka 1:24 - Baiboly Katolika nanao hoe: «Mifampaninona izahay sy ianao, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Ianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Ianao? Fantatro fa Ilay Masin’Andriamanitra Ianao! DIEM PROTESTANTA ka niantsoantso mafy hoe: –Fa hataonao inona izahay, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga handringana anay ve Ianao? Fantatro anie fa Ianao no ilay Masina avy amin’Andriamanitra e! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka niantsoantso mafy hoe: –Fa hataonao inona izahay, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga handringana anay ve Ianao? Fantatro anie fa Ianao no ilay Masina avy amin’Andriamanitra e! Baiboly Protestanta Malagasy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’Andriamanitra Hianao. Malagasy Bible ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. La Bible en Malgache hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Ianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Ianao? Fantatro fa Ilay Masin’Andriamanitra Ianao! |
Fa tsy ho foinao ho any amin’ny Seoly ny fanahiko; tsy havelanao hahita ny fahalòvana ilay tia Anao.
Moa tsy itony indrindra va no nilazanay taminao tany Ejipta hoe: Avelao ihany izahay hanompo ny Ejiptianina fa tsaratsara kokoa ho anay ny manompo azy, toy izay ho faty any an’efitra.»
Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta, mba ho tanteraka ilay tenin’ny mpaminany hoe: «Fa hatao hoe Nazareanina izy.»
Ary indreo izy niantso hoe: «Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa zanak’Andriamanitra? Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao atỳ?»
Ary tao amin’ny sinagogany dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy
Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay, dia rafitra niantso Izy nanao hoe: «Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.»
Nony nahita an’i Piera namindro izy, dia nijery azy, ka nanao taminy hoe: «Ianao koa naman’i Jesoa Nazareanina.»
Fa hoy ilay zatovo taminy: «Aza matahotra ianareo; mitady an’i Jesoa Nazareanina ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo; efa nitsangan-ko velona Izy, ka tsy eto; teo no nametrahany Azy.
ary niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Moa mifaninona izaho sy Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra? Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy,»
«Ny Fanahy Masina, hoy ny Anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.
Fa hoy Izy tamin’ireo: «Zavatra inona moa izany?» Dia hoy ireo: «Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
nanao hoe: «Aoka re, fa mifandraharaha inona aminao izahay, ry Jesoa avy any Nazareta ô? Tonga handringana anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra.»
Raha vao nahatazana an’i Jesoa izy, dia nikiakiaka sy niankohoka teo an-tongony ary niantso mafy hoe: «Misy inona raharahainao amiko, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra ô? Mifona re, aza dia mampijaly ahy!»
Tamin’izay ny mponina rehetra tao amin’ny tanin’ny Gerasena nangataka Azy hiala teo aminy, satria natahotra mafy loatra izy ireo; ka dia niditra tao an-tsambo i Jesoa fa ndeha hiverina.
Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe: «Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay;
fa tsy ho foinao ao amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko, ary tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny lo ny Masinao.
Io lehilahy io dia hitanay fa mpanimba vahoaka, mpampitabataba ny Jody rehetra amin’izao tontolo izao, filohan’ny antokon’ny Nazareanina,
Ny Masina sy ny Marina nolavinareo, fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana.
Fa efa nikaon-doha marina tokoa teto amin’ity tanàna ity i Herôda sy i Pôntsy Pilaty ary ny Jentily mbamin’ny vahoaka Israely hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina voahosotrao,
Ianao mino fa misy Andriamanitra iray; tsara ny ataonao; ny demony koa anefa mino izany, ka mangovitra.
Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Filadelfia: Izao no lazain’Ilay Masina, Ilay Marina, Ilay manana ny fanalahidin’i Davida, Ilay mamoha, tsy misy mahahidy, ary manidy, tsy misy mahavoha.