Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Apokalipsy 3:7 - Baiboly Katolika

7 Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Filadelfia: Izao no lazain’Ilay Masina, Ilay Marina, Ilay manana ny fanalahidin’i Davida, Ilay mamoha, tsy misy mahahidy, ary manidy, tsy misy mahavoha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny Fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain’Izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy misy mamoha:

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 –Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Filadelfia: «Izao no lazain’ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin’i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 –Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Filadelfia: «Izao no lazain’ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin’i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain’Izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny Fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain’Izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy misy mamoha:

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 3:7
38 Rohy Ifampitohizana  

Raha miantoraka amin’ny meloka Izy, sy misambotra azy, raha mamory ny mpitsara: zovy moa no hahatohitra izany?


Indro manjera Izy, ka tsy misy manorina indray, manidy ny olona aman-trano, ka tsy misy mamoha.


Marina amin’ny lalany rehetra i Iaveh, ary mamindra fo amin’ny asany rehetra.


Fa tsy ho foinao ho any amin’ny Seoly ny fanahiko; tsy havelanao hahita ny fahalòvana ilay tia Anao.


Fa Ianao no voninahiny amam-pahefany, ary ny fanambinanao manondrotra ny herinay.


Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida, ka hamoha izy, tsy hisy handrindrina; handrindrina izy, tsy hisy hamoha.


Mialà amin’ny lalana, ivilio ny lalana, esory eo imasonay ilay Masin’i Israely!»


Aza matahotra, ry kankana avy amin’i Jakôba, ry olom-bitsy sisa, tamin’i Israely! fa Izaho no tonga mamonjy anao - teny marin’i Iaveh - ary ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.


Hokororohinao izy, ka hopaohin’ny rivotra, sy haelin’ny ranonoram-baratra. Fa ianao kosa hientan-kafaliana amin’i Iaveh, ary ilay Masin’i Israely no hireharehanao.


Mba ho hitany sy fantany ary hodinihiny sy hiarahany mahalala, fa ny tanan’i Iaveh no nanao izany, ary ilay Masin’i Israely no nahary izany.


Ny Anaran’ny Mpanavotra antsika dia Iavehn’ny tafika, ilay Masin’i Israely! -


Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, ilay Masin’i Israely: «Izaho Iaveh, Andriamanitrao, mampianatra anao mba hahitanao soa; mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao aho.


Izao no lazain’i Iaveh, ilay Mpanavotra sy ilay Masin’i Israely; amin’ilay esoina sy tevatevain’ny vahoaka, mpanompon’ny mpanapaka masiaka: «Hahita anao ny mpanjaka, ka hitsangana; ary ny mpanapaka, ka hiankohoka, noho ny amin’i Iaveh izay mahatoky, sy ilay Masin’i Israely izay nifidy anao.»


Fa ny vadinao dia ny Mpahary anao; I Iavehn’ny tafika no Anarany, ary ny Mpanavotra anao dia ilay Masin’i Israely, Andriamanitry ny tany rehetra no iantsoana azy.


Indro ianao hiantso ny firenena tsy fantatrao, ary ny firenena tsy nahalala anao, hidodododo eo aminao, noho ny amin’i Iaveh Andriamanitrao, sy ilay Masin’i Israely, satria nomeny voninahitra ianao.


Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe: «Masina, masina, masina i Iavehn’ny tafika! feno ny voninahiny ny tany rehetra.»


Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.»


Ny tany aman-danitra ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.


nanao hoe: «Mifampaninona izahay sy ianao, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra.»


Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy, ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba,


nanao hoe: «Aoka re, fa mifandraharaha inona aminao izahay, ry Jesoa avy any Nazareta ô? Tonga handringana anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra.»


Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.


Ny Masina sy ny Marina nolavinareo, fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana.


Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.


nanao hoe: «Soraty amin’ny boky izay hitanao, ka ampitondray any amin’ny Eglizy fito any Azia, dia any Efezy, Smirna, Pergama, Tiatira, Sarda, Filadelfia, ary Laodisea.»


efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Afobe.


ary avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany. Ho an’Ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany,


Ny hiran’i Môizy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanak’ondry no nohirain’izy ireo, ka hoy izy: «Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan’ny taona mandrakizay!


Dia nisy hafa tao amin’ny ôtely reko nanao hoe: «Eny, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! marina sy ara-drariny ny fitsarànao.»


Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; Mahatoky sy Marina no anaran’ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaràny sy iadiany;


fa marina sy mahitsy ny fitsaràny, satria Izy nanameloka ilay Vehivavy janga malaza izay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany, sy namely an’io noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tanany.»


Manorata ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Efezy: Izao no lazain’Ilay mitana ny kintana fito eo an-tanany ankavanana, sy mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito:


Dia hoy Ilay nipetraka teo ambony seza fiandrianana: «Indro havaoziko ny zavatra rehetra.» Ary hoy koa Izy: «Soraty fa marina sy mahatoky ireo teny ireo.»


Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Laodisea: Izao no lazain’ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, fototry ny zava-boaarin’Andriamanitra.


Samy nanana elatra enina avy ireo Zava-manana aina efatra ireo, feno maso ny manodidina ny tenany sy ny tao anatiny, ary tsy nitsahatra izy ireo, fa nilaza andro aman’alina hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra, mahefa ny zavatra rehetra, izay taloha sy ankehitriny ary ho avy.


Ary nanao hira vaovao izy ireo nanao hoe: «Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombokaseny. Fa voavono Ianao, ka ny Ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, mbamin’ny fanjakana sy ny firenena rehetra.


Ary niantso tamim-peo mahery izy ireo, nanao hoe: «Ry Tompo masina sy marina ô! rahoviana re Ianao vao hitsara sy hanadina ny ranay amin’ny mponina eny ambonin’ny tany?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra