Nitazana nankany Sôdôma sy Gômôra mbamin’ny tany lemaka rehetra izy, ka nahita setroka niakatra avy amin’ny tany toy ny setroka avy amin’ny memy.
Malakia 3:2 - Baiboly Katolika Iza no hahatanty ny andro hiaviany, ary zovy no hahajoro raha miseho Izy? Fa ho tahaka ny afon’ny mpandrendrika Izy sy ho sahala amin’ny pôtasin’ny mpanery lopòtra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa iza no hahatanty ny andro hiaviany? Ary iza no hahajanona rehefa miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy ny savonin’ny mpanasa lamba. DIEM PROTESTANTA Nefa zovy no hahatanty ny andro hiaviany? Ary zovy koa no hahajoro rehefa hiseho Izy? Fa ho tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy ho tahaka ny savonin’ny mpanasa lamba Izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nefa zovy no hahatanty ny andro hiaviany? Ary zovy koa no hahajoro rehefa hiseho Izy? Fa ho tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy ho tahaka ny savonin’ny mpanasa lamba Izy. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy ny savonin’ny mpanasa lamba. Malagasy Bible Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba. La Bible en Malgache Nefa iza no hahatanty ny andro hiaviany? Ary iza no hahajanona rehefa miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy ny savonin’ny mpanasa lamba. |
Nitazana nankany Sôdôma sy Gômôra mbamin’ny tany lemaka rehetra izy, ka nahita setroka niakatra avy amin’ny tany toy ny setroka avy amin’ny memy.
Hamoaka ny didy aho: I Iaveh nilaza hoe: «Zanako ianao, niteraka anao Aho ankehitriny.
Vao nanambana Ianao, ry Andriamanitr’i Jakôba, dia nitsatoka tsy nahahetsika ny kalesy aman-tsoavaly.
Avia, hiara-mifandahatra isika; Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon’ondry.
Nangovitra ny mpanota ao Siôna, ary raiki-tahotra ny mankahala fihavanana, nanao hoe; «Iza amintsika no hahatoetra ao anaty afo mandevona? iza amintsika no hahatoetra ao anaty lelafo mandrakizay?»
Rehefa voasasan’i Iaveh, ny loton’ny zanaka vavin’i Siôna, ka voadiony i Jerosalema amin’ny ra izay eo afovoany, amin’ny fanahin’ny fitsarana amam-panahin’ny fandringanana,
Eny, na dia handro amin’ny sirahazo aza ianao, ka hataonao betsaka ny siravondrona, mbola ho voaloto eo anatrehako ihany ianao noho ny fahotanao, - teny marin’i Iaveh. -
Moa hahazaka va ny fonao ary hahatoha ihany va ny tananao, amin’ny andro hiasako hamely anao? Izaho Iaveh no nilaza ka hanatanteraka.
Ampandrenesin’i Iaveh ny feony eo amin’ny loha tafiny; fa tsy erany ny haben’ny tobiny, ary mahery fo ny mpanatanteraka ny teniny. Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Iaveh, ka zovy no hahatanty an’izany?
Iza no mahatoetra eo anoloan’ny fahavinirany? Zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Mitatra toy ny afo ny fahatezerany, ary mitresaka eo anoloany ny vatolampy.
Fa io ampahatelony io hampidiriko ao amin’ny afo, hodioviko toy ny fandio volafotsy, haofana toy ny fanofana volamena. Izy hiantso ny Anarako; ary Izaho hamaly azy. Izaho hanao hoe: «Oloko izy!» Ary izy hilaza hoe: «Andriamanitro i Iaveh!»
Ary raha mbola nandeha nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana.
Ary nitso-drano azy ireo i Simeôna, ka nilaza tamin’i Maria renin’ny Zaza hoe: «Indro, ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely ary ho famantarana hotoherina,
Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona.»
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»
Efa mby eo am-poto-kazo sahady ny famaky: koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.»
Tsy fantatrareo anefa Izy; fa Izaho no mahalala Azy, ary raha milaza ho tsy mahalala Azy Aho, dia ho mpandainga tahaka anareo koa; fa fantatro Izy, ary mitandrina ny teniny Aho.
Tandremo fandrao mandà izay miteny ianareo; fa na ry zareo nandà izay niteny teto an-tany aza tsy afa-nandositra, ka mainka isika raha mandà Ilay miteny amintsika avy any an-danitra,
rongonim-bazaha madinika fotsy mamirapiratra no nomena hitafiany, dia ny asa soan’ny olo-masina izany.»
Hasiako amin’ny fahafatesana ny zanany, dia ho fantatry ny Eglizy rehetra fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.
Dia hoy ny navaliko azy: «Ianao no mahalala, Tompoko.» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry.
Ary hoy ny olona tao Bety-Samesy: «Iza no ho velona eo anoloan’i Iaveh, dia izany Andriamanitra masina izany? Ary ho any amin’iza no hiakarany, avy eto amintsika?»