Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 19:8 - Baiboly Katolika

8 rongonim-bazaha madinika fotsy mamirapiratra no nomena hitafiany, dia ny asa soan’ny olo-masina izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy. Fa ny rongony fotsy madinika dia ny asa marina ataon’ny olona masina.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 ka akanjo madio mangatsakatsaka, natao tamin’ny kiran-drongony madinika, no natolotra hiakanjoany.» (Fa izany akanjo rongony madinika izany dia tandindon’ny asa ara-drariny vitan’ny vahoakan’Andriamanitra).

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 ka akanjo madio mangatsakatsaka, natao tamin’ny kiran-drongony madinika, no natolotra hiakanjoany.» (Fa izany akanjo rongony madinika izany dia tandindon’ny asa ara-drariny vitan’ny vahoakan’Andriamanitra).

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon’ny olona masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon'ny olona masina.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 19:8
21 Rohy Ifampitohizana  

Hitafy fahamarinana anie ny mpisoronao, ary hihoby amim-piravoravoana anie ny mpino Anao.


Manao firakotra ho azy izy, manam-pitafiana rongony fotsy madinika sy jaky izy.


ny fitaratra aman’akanjo moselinina, ny lamba fehiloha amam-boaly fisaronana.


Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.


Notafiako amborodao ianao, nokiraroako hoditr’ombirano, nohodidiniko rongony fotsy madinika ny lohanao, ary notafiako amparasily.


Rehefa miditra ny alo-baravaran’ny kianja anatiny izy ireo, dia hiakanjo rongony fotsy; tsy hisy volon’ondry eny aminy, rehefa manao ny fanompoana eo amin’ny alo-baravaran’ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.


Dia niova tarehy teo anatrehany Izy; ka ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ny fitafiany tonga fotsy mangatsakatsaka tahaka ny fahazavana.


dia hoy izy taminy: ‹Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto, nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?› Fa sina ilay olona;


Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa.


Mbola very hevitra noho izany eo izy ireo, dia indro nisy olona roa lahy niseho teo akaikiny, nitafy fitafiana mamirapiratra.


Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo, tamin’i Jesoa nisondrotra nisondrotra ihany, dia indro nisy roa lahy niakanjo fotsy niseho teo anilany,


fa itafio i Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin’ny famelomana ny filàny.


dia fahamarinana avy amin’Andriamanitra, noho ny finoana an’i Jesoa Kristy, ho an’ny mpino rehetra; satria tsy misy avaka,


Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny Anaranao. Tompo ô? Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsarànao!»


ka nivoaka avy tao amin’ny tempoly ny Anjely fito nitondra ny loza fito; niakanjo rongonim-bazaha fotsy mamirapiratra izy ireo, ary nietra fehikibo volamena nanodidina ny tratrany.


nanaraka azy ny tafiky ny lanitra, soavaly fotsy no nitaingenan’ireo ary rongonim-bazaha fotsy madio no nitafiany;


Koa manoro hevitra anao aho mba hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, dia hanan-karena ianao; sy fitafiana fotsy hitafianao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahanao; ary ody maso hahosotrao ny masonao dia hahiratra ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra