Ka hoy i Iaveh taminy: «Firenena roa no ao an-kibonao. Vahoaka roa toko no hisaraka hatreo am-pialana amin’ny kibonao. Ka ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray toko hafa. Ary ny iray lehibe no hanompo ny iray kely.»
Malakia 1:2 - Baiboly Katolika «Efa tia anao Aho, hoy i Iaveh; ary hoy ianareo: ‹Inona no nitiavanao anay? - Tsy rahalahin’i Jakôba va i Esao?› - teny marin’i Iaveh; - nefa i Jakôba no tiako; fa i Esao hàlako; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Efa tia anareo Aho, hoy NY TOMPO, nefa hoy ianareo: Inona no noentinao nitia anay? Tsy rahalahin’i Jakoba va i Esao? Hoy NY TOMPO; nefa i Jakoba no tiako DIEM PROTESTANTA Hoy ny TOMPO taminareo vahoakany: –Tiako ianareo. Nefa nanontanianareo Izy hoe: –Aiza àry ny porofon’ny fitiavanao? Dia novalian’ny TOMPO an-teny hentitra hoe: –Tsy mpirahalahy va i Hesao sy i Jakôba? Nefa i Jakôba no tiako, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy ny TOMPO taminareo vahoakany: –Tiako ianareo. Nefa nanontanianareo Izy hoe: –Aiza àry ny porofon’ny fitiavanao? Dia novalian’ny TOMPO an-teny hentitra hoe: –Tsy mpirahalahy va i Hesao sy i Jakôba? Nefa i Jakôba no tiako, Baiboly Protestanta Malagasy Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy hianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin’i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako, Malagasy Bible Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin'i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako, La Bible en Malgache Efa tia anareo Aho, hoy NY TOMPO, nefa hoy ianareo: Inona no noentinao nitia anay? Tsy rahalahin’i Jakoba va i Esao? Hoy NY TOMPO; nefa i Jakoba no tiako |
Ka hoy i Iaveh taminy: «Firenena roa no ao an-kibonao. Vahoaka roa toko no hisaraka hatreo am-pialana amin’ny kibonao. Ka ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray toko hafa. Ary ny iray lehibe no hanompo ny iray kely.»
Ilay nivoaka voalohany dia menapiny, toy ny lamba voloina ny tenany manontolo, ary natao hoe Esao no anarany; ny rahalahiny nanarakaraka kosa, sady nihazona ny ombalahin-tongotr’i Esao, ary nataony hoe Jakôba no anarany.
Tera-kovitra mafy indrindra i Isaaka, ka nanao hoe: «Iza àry ilay efa naka haza, ka nitondra teto amiko? Fa efa nihinanako avokoa izany, talohan’ny nahatongavanao; ary efa nitso-drano azy aho, ka ho voatso-drano tokoa izy.»
«Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra dia efa niseho tamiko tany Loza, any amin’ny tany Kanaana ary nitso-drano ahy, nanao hoe: ‹Hahamaro anaka anao, hampitombo anao Aho, hahatonga anao ho firenena maro Aho, ary homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity, hananany azy mandrakizay.›
Hankalazaina anie i Iaveh Andriamanitrao, izay mankasitraka anao, ka nametraka anao eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely. Fa fitiavany mandrakizay an’i Israely no nametrahan’i Iaveh anao ho mpanjaka, mba hanome rariny ny olona sy hitsara azy marina.»
Dia hoy koa izy: «Iza no lalana hombantsika?» Ka hoy i Jôrama: «Ilay lalan’ny efitr’i Edôma.»
Satria sarobidy eo imasoko sy mendrika hohajaina ianao, sady tia anao Aho, hanome olona maro ho takalonao Aho, sy firenena maro, ho solon’ny ainao.
Iza moa ity avy any Edôma, avy any Bôsrà, mitafy mena midorehitra? Mamirapiratra izy amin’izany fitafiana izany, mijoro amin’ny haben’ny heriny. - Izaho ity, izay miteny amim-pahamarinana, sady manan-kery hamonjy.
Taranaka ahoana re ianao izany e! Diniho ny tenin’i Iaveh: Moa tany efitra ho an’i Israely va Aho, moa tany maizim-pito va? Nahoana ny vahoakako no manao hoe: ‹Efa afaka izahay, ka tsy hiverina aminao intsony?›
«Inona no tsy marina, hitan’ny zanakareo tamiko, no dia nihataka tamiko izy, ka nanaraka ny zava-poana sy tonga zava-poana?
Niseho tamiko tany lavitra tany i Iaveh. Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao; izany no nampaharetako ny famindram-po aminao.
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Edôma, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy, fa namono ny fangoraham-po ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany sy mitahiry ny lolom-pony hatramin’ny farany,
Efa nanasatra an’i Iaveh ianareo, tamin’ny teninareo. Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona, no nanasaranay Azy? - Tamin’ny fanaovanareo hoe: Na zovy na zovy manao ratsy, dia tsara eo imason’i Iaveh, ary ireo olona ireo no ankasitrahiny! Na tamin’ny hoe: Aiza ny Andriamanitry ny fahamarinana?
Kanefa ny razanao ihany no niraiketan’i Iaveh ho tiany; ary ny taranany nandimby azy, dia ianareo, no nofidiny tamin’ny vahoaka rehetra, araka izao hitanareo anio izao.
Saingy tsy nihaino an’i Balaama i Iaveh Andriamanitrao, fa nampody ny fanozonana ho tso-drano ho anao i Iaveh Andriamanitrao, noho ny fitiavan’i Iaveh Andriamanitrao anao.
Tiany koa ny vahoaka, eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra, mipetraka ao an-tongotrao izy ireo, ary samy mandray ny teninao avokoa.
Noho ny fitiavany ny razanao, dia nifidy ny fara mandimby azy ireo izy, ka nampivoaka anao avy tany Ejipta, tamin’ny nitoerany tao aminao sy ny heriny lehibe,