Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Malakia 1:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Hoy ny TOMPO taminareo vahoakany: –Tiako ianareo. Nefa nanontanianareo Izy hoe: –Aiza àry ny porofon’ny fitiavanao? Dia novalian’ny TOMPO an-teny hentitra hoe: –Tsy mpirahalahy va i Hesao sy i Jakôba? Nefa i Jakôba no tiako,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Efa tia anareo Aho, hoy NY TOMPO, nefa hoy ianareo: Inona no noentinao nitia anay? Tsy rahalahin’i Jakoba va i Esao? Hoy NY TOMPO; nefa i Jakoba no tiako

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Hoy ny TOMPO taminareo vahoakany: –Tiako ianareo. Nefa nanontanianareo Izy hoe: –Aiza àry ny porofon’ny fitiavanao? Dia novalian’ny TOMPO an-teny hentitra hoe: –Tsy mpirahalahy va i Hesao sy i Jakôba? Nefa i Jakôba no tiako,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 «Efa tia anao Aho, hoy i Iaveh; ary hoy ianareo: ‹Inona no nitiavanao anay? - Tsy rahalahin’i Jakôba va i Esao?› - teny marin’i Iaveh; - nefa i Jakôba no tiako; fa i Esao hàlako;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy hianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin’i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin'i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Efa tia anareo Aho, hoy NY TOMPO, nefa hoy ianareo: Inona no noentinao nitia anay? Tsy rahalahin’i Jakoba va i Esao? Hoy NY TOMPO; nefa i Jakoba no tiako

Jereo ny toko dika mitovy




Malakia 1:2
32 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly azy ny TOMPO hoe: Firenena roa no ao an-kibonao, vahoaka roa tonta no haterakao. Ny ankilany hahery noho ny andaniny, ny zokiny hanompo ny zandriny.


Ilay teraka voalohany dia menamena, voloina toy ny lamba volom-biby ka natao hoe Hesao ny anarany.


Taorian’izany dia teraka koa ny rahalahiny; nohazoniny ny voditongotr’i Hesao ka natao hoe Jakôba ny anarany. Efa enimpolo taona i Itsehàka tamin’ny nahaterahan’izy mirahalahy.


Dia nangovitra fatratra i Itsehàka, ka nanontany hoe: –Fa iza àry ilay nihaza, dia nitondra ny hazany teto amiko ka nihinanako talohan’ny nahatongavanao? Izy no efa notsofiko rano; eny, hotahîna tokoa izy.


sady niteny tamiko hoe: «Indro Aho hahamaro anaka anao sady hampitombo anao, hahatonga anao ho vondrom-pirenena; ka homeko ny taranakao mandimby anao ho lova raikitra ity tany ity.»


Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely ianao; noho ny fitiavany mandrakizay an’i Israely manko no nanaovan’ny TOMPO anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.


Fa hoy ihany izy: «Aiza àry no lalana halehantsika?» Ary namaly i Jôrama hoe: «Ilay mamaky ny taniefitr’i Edôma».


Satria sarobidy eo imasoko ianao, manan-danja amiko sady tiako. Koa nanome olona ho solonao Aho sy firenena maro ho takalon’ny ainao.


Iza àry ity tonga avy any Edôma, avy any Bôtserà renivohiny, ka manao fitafiana miloko mena? Izato izy miedinedina amin’akanjo marevaka, miandranandrana amin’ny haben’ny heriny! –Izaho izany, hoy ny Tompo, dia Izaho izay mitory ny fanafahana sady manan-kery hamonjy!


Aoka hodinihinareo ny tenin’ny TOMPO ry taranaka ankehitriny! Moa ve efa nanjary mahatahotra toy ny taniefitra na toy ny tany ao anaty haizina Aho, ry Israely? Ry vahoakako, nahoana no ilazanareo hoe: «Efa afaka izahay ka tsy hiverina aminao intsony?»


fa izao no lazainy aminareo: Inona moa no hadisoana hitan’ny razanareo tamiko no dia nanalavitra Ahy TOMPO izy? Nandeha nanaraka zava-poana izy ka dia tonga zava-poana koa!


Hoy izy hoe: ‹Avy lavitra ny TOMPO no tonga niseho tamiko.› ka hoy ny navaliko azy: ‹Fitiavana mandrakizay no itiavako anao ka famindrampo no itaomako anao hanatona Ahy.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Edôma, fa indrindra ity anankiray ity: Nenjehiny hotrobarana sabatra ny Israelita rahalahiny sady tsy nananany antra akory; tsy nisy fetra ny fahatezerany namiravira, ary nitahiry lolom-po mandrakariva izy. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:


Manasatra ny TOMPO amin’ny teninareo ianareo. Nefa manontany ianareo hoe: «Dia amin’inona no anasaranay Azy?» Amin’ny filazànareo hoe: «Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’ny TOMPO, ary ny olona toy izany no sitrany.» Na koa amin’ny filazànareo hoe: «Aiza àry ilay Andriamanitra mampihatra ny rariny?»


Te hanamarin-tena anefa ilay mpahay lalàna ka nanontany an’i Jesoa hoe: –Fa iza moa no namako?


Izao no didiko: mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo.


Kanefa ny razambenareo ihany no niraiketan’ny TOMPO hotiavina ka nifidianany anareo taranany mihoatra noho ny firenena hafa rehetra, araka izao hitanareo anio izao.


Tsy nitsena sakafo sy rano anareo teny an-dalana manko ny Hamônita sy ny Môabita fony ianareo niala tany Ejipta; sady ry zareo Môabita koa no nampaka an’i Balahàma, zanakalahin’i Behôra, avy tany Petôra any Mezôpôtamia, ary nanamby vola azy mba hanozona anareo.


Eny, tia ireo fokon’i Israely ianao, ry Tompo! Ambany fifehezanao avokoa ny olona voatokana ho Anao; miankohoka eo an-tongotrao ireo ka samy mandray ny teninao.


Noho ny TOMPO tia ireo razambenareo sady nifidy anareo taranaka amam-parany, dia Izy mihitsy no nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nomba anareo tamin-kery lehibe;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra