Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Malakia 1:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Malakỳ ho an’ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Teny faminaniana avy tamin’NY TOMPO nampitondrainy an’i Malakia ho an’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Malakỳ ho an’ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Teny fitsarana. Tenin’i Iaveh ho an’i Israely amin’ny alalan’i Malakia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 TENY faminaniana avy tamin’i Jehovah nampitondrainy an’i Malakia ho amin’ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah nampitondrainy an'i Malakia ho amin'ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Teny faminaniana avy tamin’NY TOMPO nampitondrainy an’i Malakia ho an’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




Malakia 1:1
9 Rohy Ifampitohizana  

Hafatra momba an’i Babilôna araka ny fahitàn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa.


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Raha misy mpaminany na mpisorona na olona hafa manontany anao hoe: «Inona no hafatry ny TOMPO, inona no enta-mavesatra anereny antsika?», dia hovalianao hoe: «Ianareo no enta-mavesatra; noho izany, dia hariako ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.»


Izao no hafatra faminaniana momba ny tanànan’i Ninive, mitantara izay nasehon’Andriamanitra tamin’i Nahoma avy any Elkôsy.


Izao no hafatra nampitondrain’Andriamanitra an’i Habakòka mpaminany.


Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, fony andro voalohan’ny volana fahenina, dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany. Hafatra ho an’ny governoran’i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy ho an’i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky izany ka nanao hoe:


Tamin’ny volana fahafito, andro faha-21 dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany.


Hafatry ny Tompo momba an’i Israely. Izao no teny hentitra ambaran’ny Tompo Izay namelatra ny lanitra sy namorona ny tany, ary nanome aina ny olona:


Hafatry ny TOMPO. Any amin’ny tanin’i Hadràka no tafapaka ny teniny, ka niato tao Damasy; satria samy an’ny TOMPO na ireo tanànan’i Arama na ny fitambaran’ireo fokon’ny Israely.


Efa nivadi-panekena ny vahoakan’i Joda. Zavatra maharikoriko no nataony tao Jerosalema sy tamin’ny tanin’i Israely manontolo; satria nozimbazimbainy ny toeramasina izay mamin’ny TOMPO, ary dia nanambady vehivavy mpivavaka amin’ny andriamani-kafa izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra