Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Malakia 1:3 - DIEM PROTESTANTA

3 fa i Hesao kosa halako. Nataoko tonga lao ny faritra be tendrombohitra nitoeran’ny taranak’i Hesao, ary ny taniny natolotro ho an’ny amboadia any an-taniefitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 fa i Esao no halako, koa nataoko tany lao ny tendrombohiny ary ny lovany dia natolotro ho an’ny amboadia any an-tany efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 fa i Hesao kosa halako. Nataoko tonga lao ny faritra be tendrombohitra nitoeran’ny taranak’i Hesao, ary ny taniny natolotro ho an’ny amboadia any an-taniefitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 ka ny tendrombohiny nataoko lao; ary ny lovany natolotro ny amboadia any an’efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an’ny amboadia any an-efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an'ny amboadia any an-efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 fa i Esao no halako, koa nataoko tany lao ny tendrombohiny ary ny lovany dia natolotro ho an’ny amboadia any an-tany efitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Malakia 1:3
26 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly azy ny TOMPO hoe: Firenena roa no ao an-kibonao, vahoaka roa tonta no haterakao. Ny ankilany hahery noho ny andaniny, ny zokiny hanompo ny zandriny.


Ny tany karakaina hanjary farihy, ny tany mangentana hiboiboika loharano. Ary eo amin’ny toerana famitsahan’ny amboadia dia hanirian’ny volotara sy ny zozoro.


Izaho no haka ny fanananareo ry taranak’i Hesao, Haharihariko ny fierenareo, ka tsy ho afa-miafina intsony ianareo. Ringana ianareo, mpiray firenena samy taranak’i Hesao; ringana ny mpiara-belona aminareo, ka tsy hisy olona hanao hoe:


Noho izany, henoy àry ny tetika novolavolain’ny TOMPO hamelezana an’i Edôma sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponina ao Temàna: ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin’ny olona farany indrindra. Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.


Hanjary fonenan’ny amboahaolo i Hatsôra ka ho toerana mampahonena mandrakizay. Tsy hisy honina ao aminy ary tsy hisy olona hivahiny any intsony.


Fanambarana momba an’i Edôma. Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Tsy misy olon-kendry intsony ve ao Temàna? Efa very saina ve ireo matsilo saina? Sa efa vasoka ny fahendreny?


Miverena ilalana, mandosira, ry olon’i Dedàna, misitriha any anaty lava-bato any, satria ny loza, ry taranak’i Hesao, no ataoko mihatra aminareo; izao ny fotoana irotsahako an-tsehatra hamely anareo.


Ho tonga korontam-bato i Babilôna, ka ho fonenan’ny amboadia, ho toerana tsy misy mponina intsony fa mahonena sy mampivarahontsana.


Mba misy olon-kendry anankiray ve mba afaka hahatakatra izao? Raha nitenenan’ny TOMPO izy, dia aoka mba hanambara izay antony nahasimba ny tany sy nahavoadoro azy ho tahaka ny taniefitra ka tsy andalovan’olona intsony.


Efa tapitra ny famaizana anao, ry Tsiôna, ka tsy hoentina ho babo intsony ianao. Fa ianao kosa, ry Edôma, hovalian’ny Tompo ny fahadisoanao, hovakiny bantsilana ny helokao.


Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara sy mananga-tanana mianiana fa ireny firenena manodidina anareo ireny indray kosa no hovesaran-datsa.


Eny, hitodika aminareo Aho ka hanambina anareo, ary hahatonga ny taninareo ho voaasa sy ho voavoly indray.


«Noho ny taranak’i Jakôba rahalahinao efa nisetrasetranao sy novonoinao, dia ho safo-kenatra sy haringana mandrakizay ianao!


–Raha misy manatona Ahy, aoka ho tia Ahy mihoatra noho ny ray aman-dreniny sy ny vady aman-janany mbamin’ny mpiray tampo aminy, ary mihoatra noho ny tenany aza; fa raha tsy izany, tsy afaka ho mpianatro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra