Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Malakia 1:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Na dia hiteny aza ny Edômita taranak’i Hesao hoe: «Rava sy potika izahay, nefa hatsanganay indray ny tanàna rava», Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia hamaly hoe: Aoka izy hanangana, fa Izaho kosa handrava. Ary ny olona hametaka anarana azy hoe: «Tany anjakam-paharatsiana» sy «Vahoaka tezeran’ny TOMPO mandrakizay».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Na dia hiteny aza i Edoma hoe: Torotoro izahay, nefa mbola hatsanganay indray ny efa rava, dia izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Ireo dia hanangana fa Izaho kosa handrava; dia hantsoina hoe: Tanin’ny faharatsiam-panahy izy, dia firenena eo ambanin’ny fahatezeran’NY TOMPO mandrakariva izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Na dia hiteny aza ny Edômita taranak’i Hesao hoe: «Rava sy potika izahay, nefa hatsanganay indray ny tanàna rava», Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia hamaly hoe: Aoka izy hanangana, fa Izaho kosa handrava. Ary ny olona hametaka anarana azy hoe: «Tany anjakam-paharatsiana» sy «Vahoaka tezeran’ny TOMPO mandrakizay».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Raha lazain’i Edôma ataony hoe: ‹Noravana izahay, nefa hanangana ny rava indray,› - dia izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: ‹Izy ireo hanorina; Izaho kosa handrava›; ka izao no ho filazan’ny olona azy: ‹Tanim-paharatsiana io, firenena tezeran’i Iaveh mandrakizay.›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava, dia izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary dia hatao hoe tanin’ny faharatsiana, dia firenena tezeran’i Jehovah mandrakizay, ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary dia hatao hoe tanin'ny faharatsiana, dia firenena tezeran'i Jehovah mandrakizay, ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Na dia hiteny aza i Edoma hoe: Torotoro izahay, nefa mbola hatsanganay indray ny efa rava, dia izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Ireo dia hanangana fa Izaho kosa handrava; dia hantsoina hoe: Tanin’ny faharatsiam-panahy izy, dia firenena eo ambanin’ny fahatezeran’NY TOMPO mandrakariva izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Malakia 1:4
37 Rohy Ifampitohizana  

Tsy misy mahatsangana izay ravan’Andriamanitra, ary tsy misy mahafaka izay voagadrany.


Raha mangina Andriamanitra, zovy no hanameloka Azy? Raha manafin-tava Izy, zovy no hahita Azy? Kanefa miahy ireo firenena sy ny olombelona rehetra Izy


Lalim-pahendrena Izy sady mahery tsy hay tohaina, koa iza no hanohitra Azy ka ho afa-maina?


Hira fiakarana. Natao ho an’i Salômôna. Raha tsy ny TOMPO no manorina ny trano, dia miasa foana ny mpanorina azy. Raha tsy ny TOMPO no miambina ny tanàna, dia mitily foana ny mpiambina.


TOMPO ô, tsarovy ny nafitsoky ny Edômita; fa tamin’ny andro nandravana an’i Jerosalema, dia ireo no nandrisika hoe: «Fongory io tanàna io, eny, fongory hatramin’ny fanorenany!»


Ny TOMPO maharava ny fikasan’ny firenena ary mahasakana ny hevitry ny vahoaka;


Ny fahendren’olombelona sy ny fahaizana amam-pisainany dia maivana eo anatrehan’ny TOMPO.


Izao ihany no azonareo atao: hitanondrika miaraka amin’ireo babo na hidaboka miaraka amin’ireo maty. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.


Dia hiara-kirohotra hiankandrefana eny amin’ny havoan’ny Filistinina izy roa tonta ary handeha hiantsinanana handroba ny foko any an-taniefitra, ka hanitatra ny fahefàny amin’i Edôma sy i Môaba ary hametraka ny Hamônita ho eo ambany fifehezany.


ka tsy ho faty na andro na alina izany, ary hiakatra tsy an-kijanona ny setroka; hijanona ho tany hay hatrany hatrany i Edôma ary tsy hisy handalo eo intsony mandrakizay.


Eny ana habakabaka ilay sabatry ny TOMPO no mandihindihy toa mamo, ka indro miantonta hamely an’i Edôma, dia ilay firenena voatendry haringana mba ho famaizan’ny TOMPO azy.


Koa misy fanantenana ho an’ny taranakao, hoy ny teny hentitra ambarako, hiverina ao an-tanindrazany ny zanakao.


Noho izany, henoy àry ny tetika novolavolain’ny TOMPO hamelezana an’i Edôma sy ny paika nomaniny hamelezana ny mponina ao Temàna: ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy no hitondrana azy any an-kafa hatramin’ny olona farany indrindra. Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.


Fanambarana momba an’i Edôma. Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Tsy misy olon-kendry intsony ve ao Temàna? Efa very saina ve ireo matsilo saina? Sa efa vasoka ny fahendreny?


Miverena ilalana, mandosira, ry olon’i Dedàna, misitriha any anaty lava-bato any, satria ny loza, ry taranak’i Hesao, no ataoko mihatra aminareo; izao ny fotoana irotsahako an-tsehatra hamely anareo.


Tapitra haripak’io firenena io avokoa ny vokatrareo sy ny mofonareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny omby sy ondry aman’osinareo, ary ny voalobokareo sy ny aviavinareo. Horavany amin’ny ady ny tanànamimanda izay noheverinareo hitokiana.


Iza moa no miteny, dia mampisy zavatra? Moa tsy ny Tompo va no mandidy?


Hampihariko aminareo ny fitsarako ato anatin’ny faritr’i Israely, ka hovonoiko ho faty amin’ny ady ianareo. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.


Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara fa haneho ny heriko hamelezana an’i Edôma. Haringako ny olona sy ny biby fiompy amin’io tany io; ary hataoko lao izy, manomboka eo an-tanànan’i Temàna ka hatrany Dedàna, ka ho faty an’ady ny mponina ao aminy.


Hankiniko amin’i Israely vahoakako ny famaizako an’ireo Edômita. Koa araka izay takin’ny fahatezerako amam-pahavinirako no hatao aminy mba hahatsapany ny ngidim-pamaizako. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Vatolampy mangadihady sisa no havelako ao aminao mba hanahazan’ny mpanarato ny haratony, ka tsy harenina intsony ny tanànanao. Izaho TOMPO no manambara; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.›


Hataoko tonga korontam-bato ireo tanànanao, ry Edôma, ary ho lao ny taninao; ka amin’izay dia hoekenao fa Izaho no TOMPO.


Hataoko taniefitra mandrakizay ny taninao, ka tsy honenana intsony ny tanànanao. Amin’izay dia hoekenao fa Izaho no TOMPO.›


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Edôma, fa indrindra ity anankiray ity: Nenjehiny hotrobarana sabatra ny Israelita rahalahiny sady tsy nananany antra akory; tsy nisy fetra ny fahatezerany namiravira, ary nitahiry lolom-po mandrakariva izy. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:


Hazerako ny trano ririnina sy trano fahavaratra, ary ho simba ny trano miravaka ivoara sady ho fongana ny trano miezinezina. Teny hentitry avy amiko TOMPO izany.»


Nohosihosenareo ny malahelo ka nangalanareo am-paham-bary ny vokatra avy aminy. Noho izany, dia tsy hitoetra amin’ny trano vato voapaika nataonareo ianareo, ary tsy hisotro ny divay avy amin’ny voaloboka tsara nambolenareo.


Eny, tandremo fa manome baiko ny TOMPO; dia ho montsamontsana ny trano vaventy ary ho samatsamaka ny trano madinika.


Mankanesa any Kalnè ianareo ka mijere; avy ao dia mandehana any Hamata, tanàna lehibe; ary midina ho any Gata tanànan’ny Filistinina. tsy miroborobo noho ireo fanjakana ireo ny anareo, na dia kely noho ny taninareo aza ny taniny!


Nisehoam-pahitana i Hôbadià, ka izao no voalazan’ny Tompo ANDRIANANAHARY ny amin’i Edôma. Nisy iraka nalefa ho any amin’ny hafa firenena, ka renay nanambara filazana avy amin’ny TOMPO hoe: «Mitsangàna ianareo! Aoka isika hiara-mitsangana hanafika an’i Edôma!»


«Noho ny taranak’i Jakôba rahalahinao efa nisetrasetranao sy novonoinao, dia ho safo-kenatra sy haringana mandrakizay ianao!


fa i Hesao kosa halako. Nataoko tonga lao ny faritra be tendrombohitra nitoeran’ny taranak’i Hesao, ary ny taniny natolotro ho an’ny amboadia any an-taniefitra.


Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia mampihahaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra