Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Malakia 2:17 - Baiboly Katolika

17 Efa nanasatra an’i Iaveh ianareo, tamin’ny teninareo. Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona, no nanasaranay Azy? - Tamin’ny fanaovanareo hoe: Na zovy na zovy manao ratsy, dia tsara eo imason’i Iaveh, ary ireo olona ireo no ankasitrahiny! Na tamin’ny hoe: Aiza ny Andriamanitry ny fahamarinana?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Efa manasatra NY TOMPO amin’ny teninareo ianareo, nefa hoy ianareo: Amin’inona moa no anasaranay Azy? Amin’ny ilazanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’NY TOMPO ka ankasitrahany, na amin’ny hoe: Aiza ny Andriamanitry ny fitsarana?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 Manasatra ny TOMPO amin’ny teninareo ianareo. Nefa manontany ianareo hoe: «Dia amin’inona no anasaranay Azy?» Amin’ny filazànareo hoe: «Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’ny TOMPO, ary ny olona toy izany no sitrany.» Na koa amin’ny filazànareo hoe: «Aiza àry ilay Andriamanitra mampihatra ny rariny?»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Manasatra ny TOMPO amin’ny teninareo ianareo. Nefa manontany ianareo hoe: «Dia amin’inona no anasaranay Azy?» Amin’ny filazànareo hoe: «Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’ny TOMPO, ary ny olona toy izany no sitrany.» Na koa amin’ny filazànareo hoe: «Aiza àry ilay Andriamanitra mampihatra ny rariny?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 EFA manasatra an’i Jehovah amin’ ny teninareo hianareo. Nefa hoy hianareo: Amin’inona moa no anasaranay Azy? Amin’ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’i Jehovah ka ankasitrahany, na amin’ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Efa manasatra an'i Jehovah amin'ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana ?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Efa manasatra NY TOMPO amin’ny teninareo ianareo, nefa hoy ianareo: Amin’inona moa no anasaranay Azy? Amin’ny ilazanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’NY TOMPO ka ankasitrahany, na amin’ny hoe: Aiza ny Andriamanitry ny fitsarana?

Jereo ny toko dika mitovy




Malakia 2:17
34 Rohy Ifampitohizana  

fahavalon’ny rariny ve hahazo ny fahefana ambony indrindra? Sahinao hohelohina va ilay Marina, ilay Mahefa?


Koa aoka hozoim-pitsapana hatramin’ny farany i Jôba, satria toy ny an’ny tsy mivavaka ny famaliny!


Fa raha fenoinao kosa ny famaran’ny tsy tia fivavahana dia hivesatra ny fanamelohana aman-tsazin’izany ianao.


Voatolotra eo an-tanan’ny ratsy fanahy ny tany; saronan’Andriamanitra tava ny mpitsara eo. Satria iza indray moa no hanao izany raha tsy Izy?


Saingy tsy tanterahina vetivety, ny teny fitsarana navoaka hamaliana ny ratsy atao, ka noho izany ny fon’ny zanak’olombelona dia mihasahy ao anatiny amin’ny fanaovan-dratsy;


Halan’ny foko ny voaloham-bolana amam-petinareo; mavesatra amiko ireny, sasatry ny mandefitra izany Aho.


Loza ho an’izay manafina lalina tsy ho hitan’i Iaveh, ny hevi-mifono voakasany, sady manao ny asany ao amin’ny maizina, ka manao hoe: «Iza no mahita antsika sy mahalala antsika?»


Izany no iandrasan’i Iaveh vao hamindra fo aminareo izy, dia hitsangana, ka hiantra anareo; satria Andriamanitra marina i Iaveh. Sambatra izay rehetra manantena Azy!


Kanefa, ry Jakôba ô, tsy mba niantso Ahy ianao, na nisahirana tamiko akory, ry Israely.


Tsy lany vola namidy veromanitra ho Ahy ianao; na namoky Ahy tamin’ny saboran-tsoronao; fa ianao aza no namesatra Ahy tamin’ny fahotanao; nanasatra Ahy tamin’ny tsy fahamarinanao.


Ka hoy i Izaia: «Mihainoa, ry taranak’i Davida: Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona, no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo?


Marina Ianao, ry Iaveh ô, ka tsy afaka hiady hevitra aminao aho; fa hany tiako horesahina aminao, dia ny amin’ny rariny: Nahoana no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy? Nahoana no velona amim-piadanana ny mpivadika rehetra?


Efa nakifikao Aho, - teny marin’i Iaveh, - ka lasa nihemotra any ianao; ka indro kosa Aho maninjitra ny tanako aminao handringana anao, fa efa sasatry ny mamindra fo Aho.


Indreo ry zareo manao amiko hoe: Aiza izay tenin’i Iaveh? Aoka ho tonga izany!


Tsy nahalefitra mihoatra noho izay intsony i Iaveh, noho ny haratsian’ny nataonareo, sy noho ny fahavetavetana notanterahinareo, ka dia zary efitra lao, voaozona, ary tsy misy mponina ny taninareo, araka izao hita anio izao.


Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andron’ny fahatanoranao, sy nampahatezeranao Ahy tamin’izany ratsy rehetra izany, dia indro hatsingeriko eo an-dohanao ny fitondran-tenanao; - teny marin’ny Tompo Iaveh; - fa tsy hanao ny fahalotoanao mbamin’ny fahavetavetanao rehetra intsony ianao.


Ianareo manao hoe: «Tsy marina ny lalan’ny Tompo!» Mihainoa àry, ry taranak’i Israely: Moa ny lalako va no tsy mahitsy? Moa tsy ny lalanareo va no tsy mahitsy?


Dia hoy Izy tamiko: «Hitanao va, ry zanak’olona, ity ataon’ny loholon’ny taranak’i Israely ao amin’ny maizina, samy anatin’ny efitranony feno sary avy? Fa hoy izy ireo: Tsy mahita antsika i Iaveh; efa nandao ny tany i Iaveh.»


Ary hoy Izy tamiko: «Lehibe dia lehibe indrindra ny heloky ny taranak’i Israely sy i Jodà. Feno ran’olona ny tany, feno tsy fahamarinana ny tanàna, fa hoy izy ireo: Afoin’i Iaveh ny tany; tsy mahita na inona na inona i Iaveh.


Indro Aho efa hanosihosy anareo, hoatra ny fanosihosin’ny sarety raha feno amboara.


Izao no hatao amin’izany andro izany: Hokarohiko amin’ny fanala i Jerosalema, ka hofaizako ny olona mandry mifetaka amin’ny faikany, izay manao anakampo hoe: Tsy manisy soa, tsy manisy ratsy i Iaveh!


Ary hoy ianareo: Nahoana izany? I Iaveh dia efa vavolombelona manelanelana anao sy ny vadin’ny fahatanoranao izay nofitahinao, nefa Izy no namanao sy vady vita fanekena taminao.


Olombelona va no sahy hanambaka an’Andriamanitra, no hanambaka Ahy ianareo? - Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona no nanambakanay Anao? - Tamin’ny fahafolon-karena sy ny anjara atokana.


Ny vatolampy, lavorary ny asany, ara-drariny ny lalany rehetra; fa Andriamanitra mahatoky sy tsy misy ratsy Izy; marina sy mahitsy.


Aza dia fatra-piteny avonavona na mamoaka vava midaondaom-poana. Fa Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra i Iaveh, ary velon-ko tsinontsinona ny asan’ny olombelona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra