Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 8:14 - Baiboly Katolika

Dia nasainy naroso ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ka i Aarôna sy ny zanany nametra-tanana teo ambonin’ny lohan’ny ombalahy hatao sorona noho ny ota.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Noentiny nanatona koa ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana. Koa nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana i Arona sy ireo zanany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo nasain’i Mosesy nentina ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota; ka i Aharôna sy ny zanany no nametra-tanana teo amin’ny lohan’ilay ombilahy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo nasain’i Mosesy nentina ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota; ka i Aharôna sy ny zanany no nametra-tanana teo amin’ny lohan’ilay ombilahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nentiny nanatona koa ny vantotr’ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin’ny lohan’ny vantotr’ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nentiny nanatona koa ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Noentiny nanatona koa ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana. Koa nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny vantotra ombilahy izay hatao fanatitra fanadiovana i Arona sy ireo zanany.

Jereo ny toko



Levitikosy 8:14
17 Rohy Ifampitohizana  

Manatitra ondry matavy aminao aho, ho sorona dorana, mbamin’ny fanetonan’ny ondralahy; mamono ny vantotr’ombalahy amam-bantotr’osy lahy ho sorona dorana aho. - Selà


Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh.


Tolory vantotr’ombalahy iray hatao sorona noho ny ota, ny levita mpisorona izay avy amin’ny taranak’i Sadôka, sy manatona Ahy, - teny marin’i Iaveh Tompo, - hanompo Ahy.


Hangalanao ny rany, dia atenteno ny tandrony efatra amin’ny ôtely, ny zorony efatra amin’ny koronosiny, ary ny molony manodidina, hanaovanao fanonerana amam-panavotana ny ôtely.


ary amin’ny andro hidirany ao amin’ny fitoerana masina ao amin’ny kianja anatiny mba hanao ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia hanatitra ny sorony noho ny ota izy; - teny marin’ny Tompo Iaveh. -


Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona dorana izy, dia horaisina izany mba ho soa ho azy, mba hanaovana fanonerana ho azy.


hapetrak’i Aarôna eo ambonin’ny lohan’ny osy lahy velona ny tanany roa, dia holazainy eo amboniny avokoa ny otan’ny zanak’i Israely sy ny fahadisoany rehetra araka izay fahotana nataony, hataony eo ambonin’ny lohan’ilay osy lahy izany ota izany, vao halefany ho any an’efitra izy, hoentin’ny olona efa voaomana.


Hatolotr’i Aarôna ny ombalahy noho ny ota, ary hanao fanonerana ho an’ny tenany sy ny ankohonany izy.


Ka ny lohafiangonana hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny ombalahy, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny ombalahy dia hovonoina eo anatrehan’i Iaveh.


«Alao i Aarôna sy ny zanany miaraka aminy, ny fanamiana, ny diloilo fanosorana, ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ny ondralahy roa, ary ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay;


Ny Levita hametra-tanana amin’ny lohan’ny ombalahy, ka ny iray hatolotrao ho sorona noho ny ota, ary ny iray ho sorona dorana ho an’i Iaveh, mba hanaovana ny fanonerana ho an’ny Levita.


Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,


Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!


Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.