Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 8:15 - Baiboly Katolika

15 Namono azy i Môizy dia naka tamin’ny ra dia notentenany manodidina tamin’ny rantsan-tanany ny tandroky ny ôtely ary nanadio ny ôtely izy, naidiny teo an-tongotry ny ôtely ny ra ary nanamasina azy izy, nanao ny fanonerana ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Dia novonoiny iny ary nalain’i Mosesy ny ra ka nohosorany tamin’ny fanondrony ireo tandroka manodidina ny alitara mba hanadiovany azy tamin’ny ota. Ny ra sisa kosa dia naidiny teo an-tongotry ny alitara izay nohamasininy tamin’ny fanaovana fanavotana ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 Novonoin’i Mosesy io ary nangalany ny ra ka notentenany tamin’ny fanondro ny tandroky ny alitara mba ho fanadiovana ny alitara manontolo; ary ny ra sisa dia naidiny teo am-pototry ny alitara: toy izany no nanokanan’i Mosesy ny alitara mba hahazoana manao fombam-pivavahana famelan-keloka eo amboniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Novonoin’i Mosesy io ary nangalany ny ra ka notentenany tamin’ny fanondro ny tandroky ny alitara mba ho fanadiovana ny alitara manontolo; ary ny ra sisa dia naidiny teo am-pototry ny alitara: toy izany no nanokanan’i Mosesy ny alitara mba hahazoana manao fombam-pivavahana famelan-keloka eo amboniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Dia novonoiny iny, ary nalain’i Mosesy ny ra, ka notentenany tamin’ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin’ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny ra sisa dia naidiny teo am-bodin’ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Dia novonoiny ny, ary nalain'i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin'ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin'ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo ambodin'ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Dia novonoiny iny ary nalain’i Mosesy ny ra ka nohosorany tamin’ny fanondrony ireo tandroka* manodidina ny alitara mba hanadiovany azy tamin’ny ota. Ny ra sisa kosa dia naidiny teo an-tongotry ny alitara izay nohamasininy tamin’ny fanaovana fanavotana ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 8:15
23 Rohy Ifampitohizana  

dia novonoin’ny mpisorona, nanaovany ny fanonerana teo amin’ny ôtely ny rany, nanaovany fanonerana ho an’i Israely rehetra, fa ho an’i Israely rehetra no nampanaovin’ny mpanjaka ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota.


Toy izany koa no hataonao, amin’ny andro fahafiton’ny volana ho an’izay nanota tsy nahy, na noho ny hakelezan-tsaina; dia fifonana ho an’ny trano no hataonareo.


dia hovonoiny izy io eo amin’ny lafiny avaratry ny ôtely, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny mpisorona zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina eo ambonin’ny ôtely.


Izy no hamono ny vantotr’ombalahy eo anatrehan’i Iaveh; ary ireo mpisorona zanak’i Aarôna kosa, hanolotra ny ra sy handraraka azy manodidina eo ambonin’ny ôtely izay ao amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana.


«Rehefa vita ny fanonerana ho an’ny fitoerana masina sy ny trano lay fihaonana ary ny ôtely, dia hateriny ny osy lahy velona;


Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy, sy hamono azy eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana; ary ny mpisorona, zanak’i Aarôna, handraraka ny ra manodidina ny ôtely.


Hametra-tanana eo ambony lohan’ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary ny zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina ao amin’ny ôtely.


Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran’ny sorona noho ny ota, dia hanentina amin’izany ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, sy hanidina ny ra eo an-tongotr’io ôtely io.


Ny mpisorona haka amin’ny rantsan-tanany amin’ny ran’ny sorona, hanentina amin’izany ny tandroky ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, ary hanidina ny ra rehetra eo an-tongotry ny ôtely.


Ny mpisorona hanentina ra ny tandroky ny ôtely fandoroan-java-manitra, izay eo anatrehan’i Iaveh ao an-trano lay fihaonana, ary hanidina ny ra rehetra avy amin’ny ombalahy eo ambodin’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, izay eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana.


Ny Levita hametra-tanana amin’ny lohan’ny ombalahy, ka ny iray hatolotrao ho sorona noho ny ota, ary ny iray ho sorona dorana ho an’i Iaveh, mba hanaovana ny fanonerana ho an’ny Levita.


Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa.


fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin’Andriamanitra, noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana.


Ka izany no tsy maintsy nanaovana Azy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po Izy sy Mpisorona mahatoky ny amin’Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan’ny olona;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra