Nasiany tsangam-bato sy aseraha avokoa teny amin’ny havoana rehetra sy teny ambany hazo maitso rehetra teny;
Levitikosy 26:1 - Baiboly Katolika «Aza manao sampy; aza manangan-tsary voasikotra, na tsangam-baton-tsampy, na manorona vato voaravaka sarin-javatra eo amin’ny taninareo, hiankohofanareo eo anatrehany; fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza manao andriamanitra tsy izy. Aza manangana sarin-javatra voasokitra na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ny taninareo, fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. DIEM PROTESTANTA «Aza manao andriamani-tsiizy, aza manangana sarin-tsampy voasokitra na manao tsangambaton-tsampy, aza manorina vato voaravaka hiankohofana eo amin’ny taninareo; fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Aza manao andriamani-tsiizy, aza manangana sarin-tsampy voasokitra na manao tsangambaton-tsampy, aza manorina vato voaravaka hiankohofana eo amin’ny taninareo; fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Baiboly Protestanta Malagasy AZA manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ny taninareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Malagasy Bible AZA manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin'ny taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. La Bible en Malgache Aza manao andriamanitra tsy izy. Aza manangana sarin-javatra voasokitra na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ny taninareo, fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. |
Nasiany tsangam-bato sy aseraha avokoa teny amin’ny havoana rehetra sy teny ambany hazo maitso rehetra teny;
Nafoiny avokoa ny didin’i Iaveh Andriamaniny; fa zanak’omby anidina roa no nataony ho azy, sy aseraha no nataony ho azy, ny tafiky ny lanitra rehetra no niankohofany, ary i Baala no notompoiny.
Narahin’izy ireo ny fombam-pivavahan’ireo firenena izay noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely, sy ny fomba noforonin’ny mpanjakan’i Israely.
Nampahatezitra Azy, tamin’ny fitoerana avony; nampahasaro-piaro Azy, tamin’ny sampiny.
Hangaihay izay rehetra mivavaka amin’ny sarin-javatra, izay mirehareha amin’ny sampiny. Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.
«Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Aza mivavaka amin’ny andriamaniny na manompo azy: aza mianatra ny fombany, fa azerao sy montsàny ny tsangam-baton-tsampiny.
Amin’izany andro izany, dia harian’ny olona ny sampiny volafotsy sy volamena, izay nataony hivavahany, ho an’ny voalavo sy ny ramanavy;
Aza mitodi-doha amin’ny sampy; ary aza manao andriamanitra anidina ho anareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Satria amiko ny zanak’i Israely no mpanompo; mpanompoko nentiko nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta izy. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Ny feny ankavanana dia ho anjaran’izay iray amin’ireo zanak’i Aarôna hanolotra ny ra aman-tsaboran’ny sorom-pihavanana.
dia roahy eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ny tany, fongory avokoa ny vato misy sarin-javatra voasikotra, mbamin’ny sary anidina rehetra, ary ravao daholo ny fitoerana avony rehetra;
Koa raha taranak’Andriamanitra àry isika, dia tsy tokony hino fa ny fomban’Andriamanitra dia mitovy amin’ny volamena, na ny volafotsy, na ny vato izay nataon’ny tanana amam-pahaizan’ny olombelona.
Aoka ho voaozona ny olona manao sarin-javatra voasikotra na sarin-javatra anidina, izay fahavetavetana eo imason’i Iaveh, asan-tanan’ny mpanao taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny fitoerana mangingina. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
«Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao avy any amin’ny tany Ejipta tamin’ny trano fanandevozana.
Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.
Natsangan’ny taranak’i Dana ho azy ireo ilay sarin-javatra voasikotra; ary i Jonatàna, zanak’i Gersama zanak’i Môizy, dia izy sy ny zanany no mpisoron’ny fokon’i Dana mandra-pahatongan’ny andro namaboana ny tany.