Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 18:30 - Baiboly Katolika

30 Natsangan’ny taranak’i Dana ho azy ireo ilay sarin-javatra voasikotra; ary i Jonatàna, zanak’i Gersama zanak’i Môizy, dia izy sy ny zanany no mpisoron’ny fokon’i Dana mandra-pahatongan’ny andro namaboana ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Dia natsangan’ny taranak’i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary i Jonatana, zanak’i Gersoma, zanak’i Mosesy, sy ireo zanany lahy, no mpisorona ho an’ny fokon’i Dana hatramin’ny fotoanan’ny fahababoana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

30 Ary natsangan’ireo ilay sampy nataon’i Mikà; ka i Jônatàna zanakalahin’i Gersôma sady zafikelin’i Mosesy no nanjary mpisoron’ny foko danita. Ny taranak’i Jônatàna no nitana io andraikitra io ambara-pahatonga ny andro famaboana izany tany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Ary natsangan’ireo ilay sampy nataon’i Mikà; ka i Jônatàna zanakalahin’i Gersôma sady zafikelin’i Mosesy no nanjary mpisoron’ny foko danita. Ny taranak’i Jônatàna no nitana io andraikitra io ambara-pahatonga ny andro famaboana izany tany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Dia natsangan’ny taranak’i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak’i Gersoma, zanak’i Mosesy, sy ny zanany, no mpisorona ho an’ny firenen’i Dana hatramin’ny andro namaboana ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Dia natsangan'ny taranak'i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy, sy ny zanany, no mpisorona ho an'ny firenen'i Dana hatramin'ny andro namaboana ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

30 Dia natsangan’ny taranak’i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary i Jonatana, zanak’i Gersoma, zanak’i Mosesy, sy ireo zanany lahy, no mpisorona ho an’ny fokon’i Dana hatramin’ny fotoanan’ny fahababoana.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 18:30
20 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andron’i Faseà mpanjakan’i Israely no nahatongavan’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria sy nahazoan’io an’i Ajôna, i Abela-Bety-Maakà, i Janôe, i Kedesa, Asôra, i Galaada ary i Galilea, dia ny tanin’i Neftalì rehetra, sady nentiny ho babo tany Asiria koa ny mponina.


Dia tezitra indrindra tamin’i Israely i Iaveh, ka noesoriny tsy ho eo imasony izy. Ny fokon’i Jodà irery no sisa,


Ka dia narian’i Iaveh avokoa ny taranak’i Israely; nampahoriny sy natolony teo an-tanan’ny mpamabo izy ireo, mandra-pandroaka azy lavitra ny Tavany.


Ary nandroso tamin’ny fahotana rehetra nataon’i Jerôbôama ny zanak’i Israely, fa tsy niala tamin’izany,


mandra-pandroakan’i Iaveh azy lavitra ny Tavany, araka izay voalazany tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony rehetra, ka dia lasan-ko babo any Asiria lavitra ny taniny i Israely mandrak’androany.


mbamin’ny zanak’i Sefôrà roa lahy; ny iray natao hoe: Gersama, fa hoy i Môizy: «Vahiny atỳ an-tany hafa aho»,


Tera-dahy i Sefôrà ka nataon’i Môizy hoe Gersama ny anarany, fa hoy izy: «Vahiny atỳ an-tany hafa aho.»


Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao ianao na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany.


«Aza manao sampy; aza manangan-tsary voasikotra, na tsangam-baton-tsampy, na manorona vato voaravaka sarin-javatra eo amin’ny taninareo, hiankohofanareo eo anatrehany; fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.


Aoka ho voaozona ny olona manao sarin-javatra voasikotra na sarin-javatra anidina, izay fahavetavetana eo imason’i Iaveh, asan-tanan’ny mpanao taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny fitoerana mangingina. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.


Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro efa ho tafandriana any amin’ny razanao ianao, ary ity vahoaka ity hitsangana hitolo-tena amin’ny andriamani-kafa any amin’ny tany efa hidirany. Handao Ahy izy ary hivadika ny fanekena nataoko taminy.


Satria fantatro fa rehefa maty aho, dia hihasimba marina tokoa ianareo, dia hivily hiala amin’ny lalana nasaiko nalehanareo ianareo, ka ho tratry ny loza, any amin’ny andro aoriana any, noho ianareo nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh sy nampahatezitra azy tamin’ny asan-tananareo.»


Ary nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh indray ny zanak’i Israely ka natolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny Filistinina, nandritra ny efapolo taona.


Naveriny tamin-dreniny ilay vola zato amby arivo sikla, dia hoy ireniny: «Ny tanako no manolotra izany vola izany amin’i Iaveh, mba ho an’ny zanako, hanaovana sarin-javatra voasikotra sy zavatra anidina; koa ankehitriny averiko aminao izy.»


Fa nanana tranon’Andriamanitra io Mikasy io. Nanao efôda sy terafima izy, ary ny anankiray tamin’ny zanany lahy dia natokany nataony mpisorony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra