Fantatro sahady fa namonjy ny voahosony i Iaveh; hihaino azy Izy any an-danitra, fonenany masina, amin’ny famonjena mahery hataon’ny tanany ankavanana.
Jeremia 9:24 - Baiboly Katolika Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - izay hamaizako ny voafora rehetra, miaraka amin’ny tsy voafora, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hamaliako ny voafora rehetra izay toy ny tsy voafora, DIEM PROTESTANTA Indro avy ny andro, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, izay hirotsahako an-tsehatra hamely ireo voafora ivelany fotsiny: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indro avy ny andro, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, izay hirotsahako an-tsehatra hamely ireo voafora ivelany fotsiny: Baiboly Protestanta Malagasy Indro, avy ny andro, hoy Jehvoah, Izay hamaliako ny voafora rehetra mbamin’ny tsy voafora koa, Malagasy Bible Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny voafora rehetra mbamin'ny tsy voafora koa, La Bible en Malgache Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hamaliako ny voafora rehetra izay toy ny tsy voafora, |
Fantatro sahady fa namonjy ny voahosony i Iaveh; hihaino azy Izy any an-danitra, fonenany masina, amin’ny famonjena mahery hataon’ny tanany ankavanana.
Te hisaotra an’i Iaveh mandrakariva aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
Fa Ianao no manafaka anay amin’ny fahavalonay; sy mampahamenatra an’ireo mankahala anay.
Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy.
Hoderaina anie ny herin’ny Mpanjaka, izay tia ny rariny. Manamafy ny fahitsiana Ianao, mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny eo amin’i Jakôba Ianao.
Ka ho rera-po sy hangaihay izy ireo amin’izay, noho ny amin’i Etiôpia, nataony hiankinana, sy noho ny amin’i Ejipta, nataony rehareha.
Hokororohinao izy, ka hopaohin’ny rivotra, sy haelin’ny ranonoram-baratra. Fa ianao kosa hientan-kafaliana amin’i Iaveh, ary ilay Masin’i Israely no hireharehanao.
Hohamarinina sy homem-boninahitra ao amin’i Iaveh avokoa, ny taranak’i Israely rehetra.
Fa izaho Iaveh dia tia ny rariny, halako ny fandrobana atao amim-pamadihana; homeko ny valin’ny asany amim-pahamarinana izy, ary hanao fanekena mandrakizay amin’izy ireo Aho.
nitsara ny adin’ny ory sy ny mahantra izy, ka amin’izany tsara ny zavatra rehetra. Moa tsy izany va no fahalalana Ahy, - teny marin’i Iaveh? -
Ary raha ianao mianiana hoe: Velona i Iaveh! ka amim-pahamarinana sy hitsiny ary rariny no ianiananao, dia holazain’ny firenena, fa Izy no hanambina azy ireo ary Izy no hireharehan’izy ireo.
Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara, sy izay ilain’i Iaveh aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.
Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana, ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao? Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany fa ny mamindra fo no sitrany.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanambaràna Azy.»
Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.
Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
Satria, Andriamanitra izay nandidy hoe: «Aoka ny maizina no hiposahan’ny mazava» no nanazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy.
Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an’izao tontolo izao.
Fa isika no tena voafora, dia isika izay manompo an’Andriamanitra amin’ny Fanahy, sy manao an’i Kristy Jesoa ho reharehantsika, ary tsy mitoky amin’ny nofo.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Fa hoy i Samoela: «Moa sitrak’i Iaveh tahaka ny fanekena ny tenin’i Iaveh va ny sorona dorana sy ny fanatitra? Tsara noho ny sorona ny fanekena, ary ny fanoavana noho ny saboran’ondralahy.