Nentin’i Nabokodonozora ho any Babilôna ny fanaka sasany tao an-tranon’i Iaveh, ka nataony tao amin’ny tempoliny any Babilôna.
Jeremia 51:44 - Baiboly Katolika Hamangy an’i Bela ao Babela Aho: Ka izay nateliny, hotosahako avy eo am-bavany, ary ny firenena, tsy hitanjozotra ho ao aminy intsony. Ny mandan’i Babela aza, nirodana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Bela dia hampijaliako any Babilona ka hasaiko haloany izay nateliny; ary tsy hitanjozotra hankany aminy intsony ny firenena; ny mandan’i Babilona dia hirodana. DIEM PROTESTANTA Hoy ny TOMPO hoe: «Hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Bela andriamanitr’i Babilôna Aho, hasaiko haloany izay nateliny. Hitsahatra tsy hitanjozotra ho any aminy ireo firenen-kafa. Nirodana ny mandan’i Babilôna! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy ny TOMPO hoe: «Hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Bela andriamanitr’i Babilôna Aho, hasaiko haloany izay nateliny. Hitsahatra tsy hitanjozotra ho any aminy ireo firenen-kafa. Nirodana ny mandan’i Babilôna! Baiboly Protestanta Malagasy Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, Ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny màndan’i Babylona dia hirodana. Malagasy Bible Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny mandan'i Babylona dia hirodana. La Bible en Malgache Ary i Bela dia hampijaliako any Babilona ka hasaiko haloany izay nateliny; ary tsy hitanjozotra hankany aminy intsony ny firenena; ny mandan’i Babilona dia hirodana. |
Nentin’i Nabokodonozora ho any Babilôna ny fanaka sasany tao an-tranon’i Iaveh, ka nataony tao amin’ny tempoliny any Babilôna.
Fa nitelina harena izy, ka handoa izany; Andriamanitra no handoatra izany, avy ao an-kibony.
Izao no ho tonga any amin’ny andro farany; ny tendrombohitry ny tranon’i Iaveh, hatao eo an-tampon’ny tendrombohitra; sy hasandratra ho eo ambonin’ny havoana. Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy,
Indreo tamy ny olona mitaingin-tsoavaly, ny mpitaingin-tsoavaly, milahatra tsiroaroa.» Dia niteny indray izy ka nanao hoe: «Potraka re! Potraka re i Babilôna! ary ny sarin’ireo andriamaniny rehetra nazerany novakiny tamin’ny tany.»
Hahita izany ianao amin’izay ka ho miramirana; hibitaka sy hiravoravo ny fonao, fa hivantana aminao ny haren’ny ranomasina; ary ho tonga ao aminao ny rakitry ny firenena.
Manaova akoran’ady amin’ny manodidina azy, hatraiza hatraiza; manandra-tanana izy, mirodana ny tilikambony, mikoa ny mandany. Fa famalian’i Iaveh izao: ampitondray valim-bonoana izy: toraky ny nataony no ataovy aminy!
Ambarao any amin’ny firenena, torio izao, manangàna saina, ka torionareo izao; aza afeninareo fa lazao hoe: Azo i Babilôna. Mangaihay i Bela! Voazera i Merodàka! mangaihay ny sampiny, voazera ny andriamanitra tsy izy ao.
Nandany ahy, nandevona ahy, i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babela; nampitsatoka ahy teo, toy ny vazy foana, nitelina ahy, toy ny dragona; nameno ny kibony, tamin’ny nahandroko tsara indrindra, dia nandroaka ahy.
Koa indro, avy ny andro, hamangiako ny sampin’i Babela; dia hangaihay ny taniny rehetra, ary ho lavo eo aminy avokoa ny voavono ao aminy.
Na hisondrotra hatrany an-danitra aza i Babela, na hataony tsy azo anihina aza ny tranony mimanda avo, dia ho tongan’ny mpandrava ihany izy, noho ny didiko, - teny marin’i Iaveh. -
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa voafongotra mihitsy ny mandan’i Babela malalaka be; ary voadotra ny vavahadiny avo be. Ka dia zava-poana izany no isasaran’ny vahoaka, ho an’ny afo no hisasaran’ny firenena, ka lany hery foana amin’izany izy.