Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 51:44 - DIEM PROTESTANTA

44 Hoy ny TOMPO hoe: «Hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Bela andriamanitr’i Babilôna Aho, hasaiko haloany izay nateliny. Hitsahatra tsy hitanjozotra ho any aminy ireo firenen-kafa. Nirodana ny mandan’i Babilôna!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

44 Ary i Bela dia hampijaliako any Babilona ka hasaiko haloany izay nateliny; ary tsy hitanjozotra hankany aminy intsony ny firenena; ny mandan’i Babilona dia hirodana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

44 Hoy ny TOMPO hoe: «Hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Bela andriamanitr’i Babilôna Aho, hasaiko haloany izay nateliny. Hitsahatra tsy hitanjozotra ho any aminy ireo firenen-kafa. Nirodana ny mandan’i Babilôna!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

44 Hamangy an’i Bela ao Babela Aho: Ka izay nateliny, hotosahako avy eo am-bavany, ary ny firenena, tsy hitanjozotra ho ao aminy intsony. Ny mandan’i Babela aza, nirodana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

44 Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, Ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny màndan’i Babylona dia hirodana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

44 Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny mandan'i Babylona dia hirodana.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 51:44
24 Rohy Ifampitohizana  

Ny fanaka sasany tao an-tranon’ny TOMPO dia nentin’i Nebokadnetsara ho any Babilôna koa ka nataony tao amin’ny lapany tany Babilôna.


Handoa ny harena izay nateliny izy; holoaran’Andriamanitra tao an-kibony izany.


Izao no hiseho amin’ny andro any aoriana: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ny TOMPO dia hanerinerina ambonin’ny tendrombohitra sisa ka hasandratra ho avo kokoa noho ireo havoana; dia hitanjozotra hankany ny firenena rehetra.


Ka indro erỳ tamy ny lehilahy iray mitaingin-kalesy tarihin-tsoavaly sady niloa-bava niteny hoe: Rava, rava i Babilôna! Torotoro miraraka amin’ny tany avokoa ny sarivongan’ny andriamaniny rehetra!»


Ho miramirana ianao hahita izany ka ho tohina mafy sy hibita-kafaliana ny fonao, fa ny haren’ny ranomasina hoentina eo aminao ary ny fananan’ny firenen-kafa hatolotra anao.


Manaova akoran’ady manodidina mba hampikoizana azy. Indro fa nitolo-batana izy! Rava ny tilikambom-piarovany ary nianjera ny mandany. Izany no famalian’ny TOMPO! Koa valionareo i Babilôna; araka ny nataony tamin’ny hafa no mba ataovinareo aminy koa.


Ambarao amin’ny firenena ny vaovao, ampahafantaro amin’ny alalan’ny famantarana, ampahafantaro fa aza afenina ary lazao hoe: Azo i Babilôna, henatra moa izao ho an’ny sampiny ary haketrahana ho an’ireo andriamani-tsiiziny! Henatra moa izao ny an’i Bela, ary haketrahana ho an’i Merôdàky.


Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin’ny andro hamaizana azy, no hahalevona ny sarivongan-tsampy.


«Nandripaka sy nitsentsitra ahy i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna; dia napetrany toy ny vilia nolelafina aho. Tahaka ny fitelin’ny mamba no nitelemany ahy, ka ny tsokako no namenoany ny kibony; izay aho vao naloany.


Ho avy ny andro hirotsahako an-tsehatra hamely ireo sarivongan-tsampin’i Babilôna. Afa-baràka ny taniny manontolo; hiampatrampatra ao an-tanàna ny maty rehetra.


Na dia hisondrotra any an-danitra aza i Babilôna ka hanao ny fiarovany ho avo tsy azo anihina, dia ny baikoko no hahatraran’ny mpandrava azy hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Dia nampian’ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Rava tanteraka ny manda matevin’i Babilôna, ary voadoro ny vavahadiny avo; ka dia sahiram-poana ny vahoaka, zavatra ho kilan’ny afo no isasaran’ireo firenena.»


Dia natolotry ny Tompo teo an-tanany i Jôiakima mpanjakan’i Joda ary ny ampahan’ireo fanaka tao an-tranon’Andriamanitra. Nentin’i Nebokadnetsara ho any Babilônia ireo olona babo; ny fanaka kosa nentiny ho ao an-tempolin’ireo andriamaniny ary napetrany tao amin’ny efitrano firaketan’io tempoly io.


Noho izany dia mamoaka izao didy izao ho an’ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra aho hoe: «Izay manao teny tsy voahevitra ny amin’ny Andriamanitr’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao dia hotetitetehina ary hatao fanariam-pako ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.»


«Izaho Nebokadnetsara dia niadam-pinaritra tato an-dapako.


Horoahina hiala amin’ny olombelona ianao, dia hiara-mipetraka amin’ny biby eny an-tsaha, hihinana ahitra tahaka ny omby ary ho kotsan’ny ando! Fito taona no haharetan’izany aminao, mandra-piekenao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ka manome izany ho an’izay tiany.


Ary noho io fahalehibiazana izay nomen’Andriamanitra azy io dia natahotra sy nangovitra avokoa teo anatrehany ny foko sy firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra; fa nahafaty izay tiany ho faty izy ary namelona izay tiany ho velona, nanandratra izay tiany hasandratra izy ary nampietry izay tiany haetry.


Izao no hevitry ny teny: MENE: Voaisa, voaisan’Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin’izao;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra